Politique

TIM, MAPAR, VPM MMM Nahatafiditra minisitra 12


  • Talata 12 Jona 2018

Novakiana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly alatsinainy 11 jona takariva ny didim-panjakana laharana 2018-540 manendry ireo mpikambana vaovao miisa 30 ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian, ka vehivavy ny 08 ary lehilahy ny 22.

 

Raha atao indray mijery dia nahatafiditra minisitra 12 ao anaty governemanta ny tolona ho an’ny Fanovana ahitana ny MAPAR (06) sy TIM (04)  ary VPM MMM (02). Minisitra 8 tamin’ireo tao anatin’ny govenemanta teo aloha, izay namoahan’ny HCC didy fandravana taorian’ny fitoriana nangatahana fialan’ny ny filoha  no tafaverina, dia ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Béni Xavier Rasolofonirena ; minisitry ny vola sy ny tetibola, Andriambololona vololontsalama Sehenosoa ; minisitry ny Fitaterana, Ralava Beboarimisa ; Angovo sy akoran’afo, Lantoniaina Rasoloelison ; Fampianarana ambony, Rasoazananera Marie Monique ; Fambolena sy ny fiompiana, Randriarimanana Edmond ; Paositra sy ny fifandraisan-davitra, Maharante Jean Dieu (asam-panjakana teo aloha) ; Harena ankibon’ny tany sy ny solika,  Rabary-Njaka Henry (raharaham-bahiny teo aloha). Nisy ihany koa ireo minisitra efa teo aloha nomena toerana indray, dia ny minisitry ny asa vaventy, Ulrich Andriantiana ; Fanabeazana, Horace Gatien ; Kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana ny harem-pirenena, Johasy Eléonore (VPM MMM). Rano sy ny fahadiovana ary ny fahadioavana, Ravatomanga Roland (TIM). Ireo vaovao kosa, dia ny raharaham-bahiny : Dovo Eloi Alphonse Maxime (masoivoho Malagasy tany Rosia tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana ny taona 2003) ; Indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Guy Rivo Randrianarisoa (TIM) ; Toekarena sy ny teti-pivoarana, Napetoke Marcel Arsonaivo (TIM) ; Fampianarana teknika, Rahantasoa Lydia Aimé (TIM) ; minisitry ny Fitsarana, Hariminisa Noro vololona ; minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana,  Razafimahefa Tiana Harivelo ; Minisitry ny polisy, Erick Michel Wouli Soumah Idrissa ; Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, Razanamahasoa Christine (MAPAR) ; Jono sy harena anaty rano, Augustin Andriamananoro (MAPAR) ; Fizahantany, Razafitsiandraofa Jean Brunelle (MAPAR) ; Asam-panjakana sy asa ary ny lalàna sosialy, Ramaholimasy Houlder (MAPAR) ; Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Naharimamy Lucien Irmah (MAPAR) ; Varotra sy fanjifana, Yvette Sylla (Mpiara-dia amin-dRajoelina) ; fahasalamana, Rantomalala Harinirina Yoël Honora ; Tontolo iainana sy ny haivoary ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume Venance (VPM MMM) ; Serasera, Andriamandavy Riana ; Tanora sy ny fanatanjahantena, Faratiana Tsioahara Eugène ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe. Mbola ny HVM hatrany no maro an’isa ao anatin’ity governemanta vaovao ity. Na izany na tsy izany, dia misy amin’ireo avy amin’ny depioten’ny fanovana, saingy ny teny an-kianja kosa omaly atoandro tamin’ny alalan’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, dia nanakiana mafy ny endriky ny governemanta. Andrasana ny tohin’ny eny an-kianja sy ny adihevitra momba ity fitsanganan’ny governemanta vaovao ity.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT