Mihetsiketsika sy miomana fatratra ny mpikatroka ao anatin’ny Tiako i Madagasikara (TIM).
Anisan’ireny ny avy amin’ny boriborintany faha-5 eto Antananarivo Renivohitra, izay nanao fihaonambe voalohany teny Anosiavaratra Antananarivo Avaradrano ny faran’ny herinandro teo. Fanetsehana ny rehetra hiomanana amin’ny fifidianana ny 7 novambra ho avy izao sady fitsangatsanganana sy fialamboly ho azy ireo no antony. Solontena miisa 50 avy, avy amin’ny fokontany miisa 27 ao amin’ny Boriborintany faha-5 no niatrika teny, izany hoe mpikatroka miisa 1500 teo. Nanome voninahitra ny fotoana ny filoha lefitra nasionalin’ny antoko Tim avy amin’ny faritanin’Antananarivo sady senateran’i Madagasikara, Ramatoa Olga Ramalason, ny filohan’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo, izay sady mponina ao amin’ny boriborintany faha-5, kolonely Faustin Andriambahoaka, ny mpandrindra ny antoko ao amin’ity boriborintany ity sady mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo Fetra Razafitsimialona. Mbola tanjona lehibe nifantohan’ny fihaonana ny fampivondronana ny avy amin’ny antoko TIM sy ny ny Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR) amin’ity taona 2018 ity. Mpirahalahy mianala ireo, hoy ny filohany Constant Raveloson, hanohana ny filoha Marc Ravalomana amin’ny fifidianana. Aorian’ny fifidianana, tsy handrotsaka olona amin’ny fifidianana na inona na inona ny KMMR 2018.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.