«Misy tompon’andraiki-panjakana manao ny fomba rehetra hampandresena ny kandidŕn’ny HVM, resy tamin’ny latsa-bato ny 31 jolay teo.
Tsy manaiky ny hamadihana ny safidim-bahoaka izahay, fa hiady sy hiaro hatramin’ny farany ny vatonay, ary hanara-maso ny fitoriana napetrakay tany amin’ny Fitsarana miady amin’ny fanjakana », hoy ny fanambarana niombonan’ireo kandidàn’ny Tiako I Madagasikara miisa 12 mandresy mitarika amin’ny isam-bato ambony vonjimaika araka ny vokatra navoakan’ny Ceni-T any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly tolakandro, tao Toliara.
Nitory
Nitanisa ny tsy fanarahan-dalàna, hosoka, hala-bato nisy (taloha, nandritra, taorian’ny fifidianana) niaraka tamin’ny porofo ireto kandidà. «Olona 890 nampifidianana tamin’ny alalan’ny «ordonnance» tao Ankililoaka Toliara II», hoy ny kandidà Lamarre Pierre. «Nalaina an-keriny ny vatam-pandatsaham-bato telo nisy vokatra tao Analamary. Tsy naveriny izany raha tsy ny alahady alina», hoy i Longo Rafa, kandidàn’ny TIM ao Sakaraha. «Nosoloina olona voakarama hampandany ny HVM ireo olona tsy tonga nifidy ary nitohy hatramin’ny dimy ora marain’ny sabotsy ny fifidianana tao Soahazo - Toliara II», hoy ny kandidà Casbone Relako. Noho ny fandrahonana samihafa sy antsojay mihatra amin’ireto kandidàn’ny TIM ireto dia nametraka fitoriana eny amin’ny Fitsarana izy ireo.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.