Politique

TIM Antsirabe I « Mandresy izahay ary manana porofo »


  • Alakamisy 06 Aogositra 2015

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Tim Antsirabe ka nanambara tamin’ny mpomba azy mba ho tony sy hiandry am-pitoniana ny vokatra tena ofisialy mikasika ny fifidianana ho Ben’ny Tanŕna farany teo

      . “Mandresy isika ary mahatratra 1.000 mahery ny elanelana”, hoy ny Atoa Rabemizana Solo, filohan’ny fampielezan-kevitra tao Antsirabe. Nanamafy ny kandidà Tovo Rabarijaona, nanoloana ireo mpanohana sy nikarakara ny fifidianana fa tsy manaiky ny valim-pifidianana navoakan’ny SRMV izy ireo noho ny porofo sy ny fitanana an-tsoratra eo am-pelatanan’izy ireo, niampy ny tany amin’ny kandidà hafa. Aoka ho tony aloha isika, na amin’ny fihetsika na firesaka satria mbola eo ny fitsarana hanao ny asany, hoy izy. Nambarany fa tsy nety ny nataon’ny SRMV, manao fanambarana ny voka-pifidianana ary tsy milaza fa “vokatra mbola vonjimaika” ihany no avoakan’izy ireo, ary kandidà iray ihany, izay nambarany ho nandresy no nasaina niatrika ny fanambarana. Nahitsy moa ny Depiote Michel Ambalavato nilaza fa efa nampitandrina ireo mpikambana eo anivon’ny SRMV ny tenany mba tsy hamerina ny hadisoana efa nataon’ity rafitra ity nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Notsahiviny fa ny mampita sy mamoaka vokatra tsy ofisialy no anjaran’ny SRMV. Omena ny tompon’andraikitra misahana izany ny porofo, hoy izy dia izay valiny eo.


 

 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT