hatramin’izay ka miodinkodina eto isika»
Betsaka ny asa miandry eto Madagasikara raha hiresaka izany atao hoe fanovàna izany, hoy ny mpamakafaka politika, Tsivery Mao Tse-Toung. Niverina teto foana hatramin’izay, hoy izy, ny tantaram-pirenena. Manana anjara toerana anaty firenena ny tantara. Iray ihany no nitolomana teto hatramin’izay dia ny fanafahana an’i Madagasikara. Mbola mila valiana foana hatramin’ny nahazoana fahaleovantena mandrak’androany nefa ny fanontaniana hoe mahaleontena marina ve isika? Ny tena fitadiavana fanovàna dia fitadiavana izay fahaleovantena tena marina izay. Voatonona matetika izao anaty dinika mikasika ny fanatsaràna ny rafi-piarahamonina malagasy ny rafitra antsoina hoe fokonolona. Raha ny fijeriko manokana dia tsy misy afa-mandingana ny Kolonely Ratsimandrava isika raha resaka fokonolona. Maritioran’ny fampijoroana fokonolona taorian’ny nahazoana fahaleovantena izany. 2026 izao isika no niainana ilay mody atao hoe fahaleovantena fa mbola sahaza an’ilay fiarahamonina efa simba ve ny heritreritra tamin’ilay fokonolona voalohany? Rafi-pandaminana fiarahamonina tena malagasy ny fokonolona. Ny namonoana ny Kolonely Richard Ratsimandrava na ny nety ho nisiana rà latsaka tamin’izany dia mety heverina mihitsy hoe satria hanelingelina ny tombontsoan’ny mpanjanaka teto izany rafi-pokonolona izany. Miverimberina ny tantara ary adino ny tena nitolomana ka miodinkodina eto isika hatramin’izao. Mandeha izao ny dinika dia tazana ireo goaika antitra sy tanora zokiny fa ilay tanora tena hoavin’ny firenena tsy hita nefa fotoana tokony hijoroan’ny tanora izao. Iombonana manana ny tenin’ny mpitondra ankehitriny hoe mitenena ry tanora ny amin’ny zavatra tena tianareo! Tena efa mahatsiaro fahafahana marina eto amin’ny firenena ve ny tanora? Mbola miodina isika hatramin’izao ary ahiana hihodinkodina mihitsy raha tsy mahita vahaolana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.