Politique

Tiako i Madagasikara Manana Ben’ny tanŕna 240 hatreto


  • Alarobia 05 Aogositra 2015

Eo ampiandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana kaominaly ny maro amin’izao hamantarana ny fifandanjan-kery politika taorian’iny tamin’ny 31 jolay 2015 iny.

 

Raha ny vokatra vonjimaika fantatra hatreto dia manodidina ny 240 eo ny Kaominina azon’ny Tiako i Madagasikara sy ireo kandida notohanany manerana an’i Madagasikara, araka ny loharanom-baovao akaiky ny foibe fandrindrana ny fifidianan’ity antokon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity.

Betsaka amin’izany ny renivohitra Distrika lasan’ny TIM tahaka an’Ambatofinandrahana nahavoafidy an’i Christine Razanamahasoa ho depiote MAPAR, Ambatomainty (Melaky), Marovoay, Mitsinjo (Boeny), Mampikony, Bealanana (Sofia), Ambilobe (DIANA), Sakaraha (Atsimo Andrefana), Betroka (Androy), Sahambavy, Alakamisy Ambohimaha (Matsiatra Ambony), Tolagnaro (Anosy), Manjakandriana (Analamanga), Miandrivazo (Menabe), indrindra moa fa ireo Kaominina antsoina hoe : Grand Tanà, izany hoe ireo Kaominina manodidina an’Antananarivo (Itaosy, Tanjombato, Andoharanofotsy, Fenoarivo, Ampitatafika, Ankadikely, Ambohimanambola, Ivato, Ampanotokana, ...).

 

Ny tsikaritra koa dia faharoa hatrany ny TIM tany amin’ny faritra Anosy sy Androy sady tery dia tery ny isam-bato mampisaraka azy tamin’ny mpifaninana voalohany aminy dia ny HVM izany. Inoana fa hanana mpanolotsain’ny tanàna maro ihany koa ny TIM manerana an’i Madagasikara, afaka hifampitana tsara amin’ny maha mpifidy vaventy izy ireo amin’ny fifidianana Loholona ho avy manaraka eo.

 


 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT