Mitaky ny hanafoanana ny fifidianana tao Toamasina I
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny antoko Tiako I Madagasikara tao Toamasina taorian’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina farany teo. Manana porofo izahay fa kitoatoa iny fifidianana iny, hoy ny TIM ary efa nisy ny fitoriana napetraka eny amin’ny fitsarana
Nosakanana
Nomarihan’i Dr Rakotomanana Gervais mpitarika ny lisitry ny TIM tao Toamasina nandritra ny fifidianana, fa “tsy fomban’ny TIM ny be taraina, matoa izahay ireo mihetsika dia mibaribary loatra ny tsy mety sy ny tandrametaka niniana natao ho fanakanana ny TIM”. Porofo nentin’izy ireo ny kara-pifidianana tamin’ny fokontany, Pelle 21/71 – 72 – 73, Pelle 53 – 54, ary Pelle 11/51 – 52, niisa 2.800 teo izay niniana tsy nozaraina ary tsy tonga teny amin’ny fokontany ihany koa raha tsy ny androm-pifidianana. Teo koa ireo mpifidy miisa 8.000 tamina fokontany 15 izay nesorina tsotra izao tao anaty lisi-pifidianana, nefa olona afaka nifidy tsara nandritra ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ary tsy mbola niova trano na fonenana na fokontany ihany koa, ka ireo mpifidy avy amin’ny faritra hafa monina ao Toamasina renivohitra sy nifidy ny kandidan’ny TIM tamin’ny filoham-pirenena sy solombavambahoaka avokoa ny ankamaroany. Tafakatra an’aliny maro izany raha jerena amin’ireo birao fandatsaham-bato miisa 198 ao Toamasina. Eo ihany koa ny olona nifidy nampidirina amin’ny lisitra fanampiny ny BV izay nahazoan’izy ireo porofo ny tao amin’ny BV laharana 80, ka olom-panjakana mihitsy no nitondra ireo olona ireo nifidy ny antokom-panjakana.
Foano fa kitoatoa
Ho an’Atoa Andriamorasata Julien dia “tsy mbola nahita fifidianana ratsy tahaka ity nitranga ity aho. Vokany, izao olana marobe hitam-poko hitam-pirenena izao. Tsy afaka hangina ao anatin’izany ny TIM, ka mitaky ny hanafoanana sy hamerenana ny fifidianana ho an’i Toamasina renivohitra ary didim-pitsarana hanoratana ireo olona marobe niniana nesorina tao anaty lisi-pifidianana. Izany no atao mba hahafahana miatrika ao anaty fahamarinana ny fifidianana vaovao ao anatin’ny tena demokrasia sy fampandrosoana ao anaty fahamarinana ny tanànan’i Toamasina tena potika tanteraka”. Nohamafisin’Atoa Stanislas misahana ny antoko ao anatin’ny faritanin’i Toamasina, fa “tsy ny TIM mihitsy no hidina an-dalambe hanohitra izao tsy fetezam-pifidianana izao. Mpanangana sy mpampandroso ary mpanatsara izahay, ka ao anatin’ny tany tan-dalàna no hitakianay ny fahamarinana sy hanarenana ny tsy mety amin’ny alalan’ny didy avoakan’ny fitsarana mahefa amin’izany”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.