Politique

Tetikasan’i Lalao Ravalomanana Hahazo famatsiam-bola avy any Afrika atsimo


  • Alarobia 29 Jolay 2015

Faradoboky ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny tanŕna anio alarobia 29 jolay ka ho an’ny kandida Lalao Ravalomanana dia eny amin’ny kianja SICAM Anosizato no hifampitaona amin’ny vahoakan’Antananarivo izy sy ireo mpiara-dia aminy.

Hetsika goavana ity tanterahana anio manomboka amin’ny 10 ora maraina ity, hampisehoana indray fa matanjaka ny Tiako i Madagasikara ary efa lasan’i Neny ny vaton’ny vahoakan’Antananarivo.Omaly moa dia mbola nitety faritra teto an-drenivohitra i Neny Lalao Ravalomanana, ka nampiavaka ny hetsika ny fihaonambe teny Ambodihady –Ambohimanarina.Tonga nanotrona an’i Neny teny ny filoha nasionalin’ny TIM Marc Ravalomanana izay nampahafantatra fa  efa manana mpamatsy vola matanjaka ao Afrika Atsimo i Neny ho fanatontosàna ny tetik’asa samihafa eto an-drenivohitra.Nampatsiahy ihany koa i Marc Ravalomanana fa  « misy kandida iray amin’ireo milatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna amin’izao fotoana eto an-drenivohitra izay nikasi-tànana filoham-piangonana nandritra ny zava-niseho teto amin’ny firenena tamin’ny 2009 », Tsy tokony ho fanadino ny lasa hoy izy, ary tokony ho mailo hatrany ny mponina eto Antananarivo.Antanifotsy, Betafo Antsirabe indray moa no notsidihan’i Dada omaly mialoha ny nanotronany an’i Neny teny Ambodihady.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT