Politique

Tetika hanilihana ireo efa nitondra Miketrika mafy ry Roland Ratsiraka


  • Sabotsy 07 Jolay 2018

Manoloana ny tolona sendikaly maro, dia aleo miandry vita fifidianana raha ny nambaran-dRoland Ratsiraka omaly. Mila mpitondra vaovao ny vahoaka Malagasy hanatanteraka io fanorenana ifotony resahin-dry zareo io, hoy kosa izy manoloana ny hetsiky ny HFI (Hetsika Fanorenana Ifotony) tsy mankasitraka fifidianana.

Nambarany, fa raha ohatra ka olon-kendry no mitondra ny firenena, dia afaka mampihatra ny antsoina hoe « réfondation », afaka mampihatra ny fampihavanam-pirenena. Tsy olon-kendry aloha izany i Hery Rajaonarimampianina izay nilaza fa handray an-tanana ny fampihavanam-pirenena izay tsy tontosany, raha ampifandraisina amin’ny tenin’i Roland Ratsiraka ny zava-nisy tamin’ity fitondrana HVM ity. Izy aza moa tany amin’ny propagandin’ny fifidianana 2013, dia nanambara manana dosie maloton-dRajaonarimampianina, saingy tsy nimonomonona intsony rehefa nomena seza. Ny fampihavanam-pirenena, dia tsy afaka ny hoe olona mitondra sanatrian’ny vava efa zatra miady no hitondra ny firenena Malagasy, dia mbola hiady hatrany isika, hoy izy. Tsy afaka atao ihany koa hoe olona efa zatra mitaky zavatra be dia be, ka rehefa tsy lany izy dia izy indray no hirotsaka an-dalambe. Toa mivoy fanilihana ireo efa nitondra hanisihana sy hanosehana ny ambara, fa olom-baovao izy. Inona no hamaritana ilay olom-baovao ? Tsy mbola filoha ve satria Rajaonarimampianina izay nolazainy fa “Hery tonta” izao dia nambara fa olom-baovao tamin’ny 2013 ? Izy tenany Roland Ratsiraka ve izany ilay ambara fa olom-baovao sa izay hotohanany ary iza no manosika azy ireo avy any aoriana ? Malaza moa amin’izao fa tsara fifandraisana amin’ny sinoa sy manantena fanohanana avy amin’ny kelimaso i Roland Ratsiraka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT