Politique

Tetibolan’ny fifidianana Nanome 1,7 tapitrisa dolara ny Vondrona Eoropeanina


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Nomarihina tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny biraon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny fandraisan’ny Vondrona Eoropeanina anjara ao anatin’ilay kitapom-bola iombonana ao amin’ny tetikasa ho fanohanana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara na Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar (SACEM).

Nanatanteraka ny fifanaovan-tsonia Atoa Sánchez-Benedito Gaspar masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara sy Ramatoa Violette Kakyomya, solontena maharitry ny fandaharanasan’ny firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD) izay natrehan’ny filohan’ny CENI, Andriamatoa Rakotomanana Hery. Vola mitentina 1,7 tapitrisa dolara  no fandraisana anjaran’ny Vondrona Eoropeanina amin’ity tetikasa ity. Dingana lehibe nandrasana tamin`ny  governemanta Ntsay ny fandavorariana ny fifidianana, hoy ny masoivohon’ny vondrona Eoropeanina, Antonio Bendito Sanchez, ary hita taratra ny fahaiza-mitantana ka tonga nanamafy ny fandraisan-anjara.  Mahakasika ny datim-fididianana navoakan`ny governemanta dia mifanaraka amin`ny andininy faha-47 voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana, hoy ny filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana. Voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana fa roa volana mialoha ny fiafaran`ny taom-piasan`ny filoham-pirenena no hanatanterahana ny fifidianana. Tsy ao anatin`ny main-tany intsony ny daty hanaovana ny fihodinana faharoa saingy tsy maintsy atao amin`ny volana desambra, hoy ny fanazavana.

Ny tetikasa SACEM, izay nanomboka tamin’ny janoary 2017 dia manohana ny fanatanterahana ny asa, ahitana singa fototra dimy dia ny fahatomombanan’ny lisi-pifidianana mba hahatonga azy ho azo antoka sy marina, ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana, ny fanohizana ny fanentanana sy ny fanabeazana ara-pifidianana mba hahatonga azy hipaka eny amin’ny olom-pirenena, ny fanohanana ara-pitaovana ny raharaham-pifidianana izay mifantoka indrindra amin’ireo fampitaovana, ny fiofanana, ny fampitana ireo antontan-taratasy, ny fanabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena ara-pifidianana, ny fanentanana ireo sehatra ifampidinihina manokana izay nanampiana ny CENI, ary ny fanohanana ara-teknika ny CENI sy ny fitantanana ny tetikasa.

 

 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT