Politique

Tena hisy marina ve ny fifidianana ?


  • Talata 14 Jolay 2015

Mihetsiketsika fatratra ary tena somebiseby ny ao amin’ny CENIT nandray ireo fitaovana hampiasaina amin’ny fifidianana tahaka ny bileta tokana sy ny taratasy hanaovana ny PV. Ho azy ireo dia tomombana ny fepetra ara-teknika hiatrehana ny fifidianana na dia tsy mbola mazava tsara aza na efa tena am-pelatanana daholo ireo 19,8 tapitrisa dolara tetibola ilaina na tsia

 


. Mampiahiahy ny maro ihany anefa ny tena hahatanterahan’ity fifidianana kaominaly amin’ny 31 jolay ho avy izao ity noho ny fisian’ny olana maro tsy mety ahitam-bahaolana eto amin’ny firenena.

Olana maro lafy

Tato ho ato izay dia misy ny vondron’olona sy vondrona antoko politika mitaky ny hanafoanana na hampihemorana ny fifidianana. Ho azy ireo dia mety hiteraka korontana ny fanaovana io fifidianana io. Eo koa ireo mitaky ny hanasoniavan’ny depiote sy ny filoham-pirenena ilay « pacte de stabilité ». Hita anefa fa efa mody fanina amin’io ingahy filoha. Ankoatra izay dia mampimenomenona ny olona ny fifidianana mialoha ny fotoana ataon’ny antokon’ny fitondrana any amin’ny faritra maro manerana ny nosy, ary na ny filoham-pirenena aza indraindray dia mitokana zava-bita no sady mampisongadina ihany ny HVM. Tsy tongatonga ho azy ny fisian’ny fiofanana nanomboka omaly ka maharitra 5 andro momba ny « fisorohana sy fifehezana ny korontana mety hitranga manodidina ny fifidianana ». Azo adika avy hatrany io fa manahy ny mety hisian’ny korontana ny eoropeanina ka mikarakara izao fiofanana izao ho an’ny mpiasan’ny haino aman-jery sy ireo fiarahamonim-pirenena. Farany dia tsy mbola milamina na iray aza ireo fitokonana sy fitakiana misy. Iray volana sy tapany izao no nitokona ny mpiasan’ny fananantany, eo ihany koa ny Air Madagascar, taitra tamin’ny torimasony ireo mpitsabo mpanampy, hanao fitokonana tsy voafetra ihany koa ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite.

Bodongerona

Ho tanteraka an-tsakany sy an-davany ihany ve ny fifidianana ao anatin’izany savorovoro rehetra izany ? Ny fampielezan-kevitra aza dia mifanotona amin’ny vanim-potoana hanombohana ny fanadinam-panjakana CEPE. Sa tsy miraharaha izay hahasoa ny firenena marina ny mpitondra ankehitriny ka hanao bodongerona hiroso amin’ny zavatra hita fa efa hiteraka krizy vaovao hafa indray ?


Ragasy : tena fanina ny bandy e ! Amin’ity taona ity moa izany misy fifidianana sa ahoana e ?

RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT