Dosie goavan'ireo

mpitondra teo aloha


  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Miato, miandry ny hevitry ny HCC ny PAC

Mitodika any amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana (HCC) ny mason’ny maro momba ireo raharaha kolikoly goavana sy fanodinkodinam-bolam-panjakana mahadaringotra mpitondra ambony teo aloha. Araka ny fanambarana navoakan’ny Pôle Anti-Corruption (PAC), naato vonjimaika ny fanenjehana sy ny fitsarana amin’ireo raharaha sasany mandra-pivoakan’ny fanapahan-kevitry ny HCC momba ny fahefana ara-pitsarana tokony handinika sy hitsara ireo voakasik’izany. Niainga tamin’ny fangatahana nataon’ny DLC (Direction de la Législation et du Contentieux ) ity dingana ity. Voalaza fa efa natolotry ny PAC tany amin’ny HCC tamin’ny 6 oktobra 2026 ny antontan-taratasy sy ny fangatahana fanazavana mikasika ny fahefan’ny PAC mitsara ireo olona voakasika, indrindra noho ny sata sy andraikitra ambony notanan’izy ireo teo anivon’ny Fanjakana. Raha mbola tsy misy ny fanapahan-kevitry ny HCC dia mijanona vonjimaika avokoa ny fizotry ny fanenjehana sy ny fitsarana ireo raharaha voakasika. Anisan’ny tena manintona ny sain’ny besinimaro ny raharaha voalohany mahakasika ny fanjavonan’ny volamena milanja 36 kilao izay nogiazana teo anelanelan'ny taona 2019 sy 2020. Ahitana an’i Christian Ntsay, Praiminisitra teo aloha, Fidiniavo Ravokatra, Minisitry ny Harena ankibon’ny tany teo aloha, ary Herilaza Imbiky, Minisitry ny Fitsarana teo aloha, izay samy voatonona ao anatin’ity dosie ity. Raharaha faharoa kosa no mifandray amin’ny tsenam-baro-panjakana momba ny fividianana latabatra sy dabilio ary resaka kolikoly hafa voalaza fa nisy tao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Voatonona ao anatin’izany ny Filohan’ny Repoblika teo aloha Andry Rajoelina, ny Praiminisitra teo aloha Christian Ntsay ary ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Marie Michèle Sahondrarimalala, izay any am-ponja ankehitriny. Araka ny fanazavana, tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana ihany koa ireo raharaha hafa mahakasika hosoka sy fanodinkodinana vola mifandraika amin’io ministera io. Mahatratra 85 miliara Ar moa ny tsenambaro-panjakana azon'ilay orinasa nanao ny dabilio, izay misy ifandraisany amin'ny orinasan'ny Filoha teo aloha, raha ny fanadihadiana efa navoakan'ny Minisiteran'ny Fitsarana. Ny dosie fahatelo indray dia momba ny Fonds Souverain Malagasy, izay efa isan’ny raharaha niteraka adihevitra be teo amin’ny sehatra ara-toekarena sy politika. Ankoatra an’i Andry Rajoelina sy Christian Ntsay dia voatonona ao koa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola teo aloha. Mifantoka amin’ny fitantanana sy ny fampiasana ny volan’ity tahirim-bolam-panjakana ity ny fanadihadiana sy ny fiampangana voaresaka ao anatin’ny raharaha.
MIANDRY...
Ao anatin’izany rehetra izany, ny fanontaniana mikasika ny fahefana araka ny lalàna no lasa fototry ny raharaha. Te hahazo fanazavana mazava avy amin’ny HCC ny PAC momba ny fahefany hitsara ireo olona nitana andraikitra ambony teo amin’ny Fanjakana, araka ny voalazan’ny fepetra ao amin’ny Lalàmpanorenana. Mbola miandry izay fanapahan-kevitra hivoaka izay araka izany ny firosoan’ireo raharaha amin’ny dingana manaraka. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia mitoetra anaty fiatoana avokoa aloha izany ireo fizotry ny fanenjehana sy ny fitsarana eny anivon’ny PAC. Ny valin-tenin’ny HCC no hamaritra raha afaka manohy ny raharaha ny PAC na raha misy rafitra hafa tokony handray an-tanana azy ireny. Voafaritry ny lalàna ihany koa raha ampifandraisina fa ny Fitsarana ambony HCJ no mitsara ireo olona ambony sy Filohana andrim-panjakana. Io izay mila tsodrano amin'ny amin'ny alalan'ny fankatoavan'ny Antenimierampirenena saingy betsaka no nikatso. Tahaka izany ihany koa ireo fanadihadiana parlemantera,... Misy ireo vary mangatsiaka hatry ny ela fa misy ihany koa ny nolazaina hatao saingy toa adino na mbola tsy natao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

Hijery ny tohiny
FTT