Firenena iaraha-manana!

Isan’ny nanamarika ny fitondràna


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

teo aloha ilay hoe «Izahay i

zao no mitondra!». Fehezanteny tsikaritra ho nifono fihetseham-po toy ny nanome baiko izany tamin’ny fotoan’andro hoe mangiana ianareo fa avelao ataonay amin’izay hanaovana azy! Tamin’ny ankapobeny, rehefa nodinihina ny fandraisan’ny mpanara-baovao azy, tamin’ireny fotoana ireny, dia izay tokoa. Ankehitriny kosa isika, amin’ireo dinika sy fihaonana samihafa heno tato ho eto teto amin’ny firenena, dia saika maheno matetika ireo voambolana na voateny tany amin’ny fitondràna Ratsimandrava, izany hoe ny tontolon’ny taona 1970. Voambolana sy voateny izay hita ho mampahatsiahy hatrany fa firenena iaraha-manana ity naharesy lahatra malagasy sy tanora maro fa mila vonjena ka nampidina azy ireo an-dalambe nanomboka ny 25 septambra 2025 ity. Ny andron’ny Kolonely Richard Ratsimandrava no nahenoana izany hoe «Raharaha ikambanana» izany. Vao tamin’ny herinandro nefa izao no nisy ilay hoe «Dinika raharaha ikambanana». Rafitra ifotony naha malagasy ny malagasy efa faha vazimba izany antsoina hoe «Fokonolona» izany ary samy resy lahatra ireo nanaraka ny tantaram-pirenena fa ny Kolonely voalaza teo, izany nantsoina mihitsy hoe «Rain’ny fokonolona», no tena nanome hasina azy. Miverina miresaka fokonolona daholo indray izao ny maro an’isa. Miverina miresaka ny hoe fanorenana ifotony na fanovàna ifotony ihany koa. Miha manalavitra ny fijery politikan’ny malagasy, amin’ny maha olompirenena azy, raha ny hita hatreto aloha, ny resaka olon-tokana na ilay antsoin’ny vahiny hoe «culte de personnalité» fa herintaona mahery, fara faha keliny, aloha izany izao dia mba miha liana miresaka rafitra sy fanavaozana ny tokony ho fomba hitantanana ity firenena ity daholo ny maro. Ny andrandraina angamba dia ny hoe ho efa famantarana izany fa hiha hizotra any amin’ny lalana hivoahan’izao firenena izao amin’ny fahasahiranany amin’izay isika io satria efa manomboka miha mitombo ireo miha mahatsapa fa firenena iaraha-manana tokoa ity firenena ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aleo miverina!
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Samy manaiky ny mpanara-baovao,

  • Manangana efitra !
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Tsy dia vaovao amin’ny

  • Miandry fifampidinihan
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

a! Ny tena marina moa izany,

  • Singam-bolo
  • Talata 20 Oktobra 2026

mandavo ny vositra !

  • Edito
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mila mahay mifanoro!

  • Ny hoavy no hitsara!
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nahatsiarovana ny repoblika

Hijery ny tohiny
FTT