Tabera Randriamanantsoa

«Mbola be dia be ny


  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

olon-dRajoelina mamahan-dalitra ao !»

Isan’ny tomponandraikitra nametraka izao fitondràna izao ny antoko politika Kintana, hoy ny filohany, Tabera Randriamanantsoa, ka tsy izy indray no hanongana azy. Manatsara fanavaozana no hainay fa tsy manongana, hoy izy. Ny zava-misy izao dia mbola mihenahena io fitondràna io. Lalàmpanorenana tsy nomanina hitondra any amin’ny fanavaozana no hiasàn’io fitondràna io dia sahirana ny minisitra hanao ny praogramany. Tsy mifanentana amin’ny politikan’ny fanavaozana ny lalàmpanorenana. Filohan’ny fanavaozana ny filoha fa tsy filohan’ny repoblika nefa lalàmpanorenan’ny repoblika no hiasàny. Mpisolo toerana koa izy, hoy ny HCC. Mila apetraka ny fifanarahana politika hahafahan’ny rehetra miaiky fa io filohan’ny fanavaozana io no tena filohan’ny tetezamita. Tsy manana basy hanongànam-panjakàna ny Kintana ary izany tsy misy fantatray na izany fivoriana voatonontonona izany na ny toerana nanaovana azy. Ny fivorian’ny Kintana ato amin’ny foibeny dia ny hoe tsy maintsy atao ny fifanarahana politika ka raha izany no ambara ho fanonganàm-panjakàna dia fanonganàm-panjakàna eto izany ny hevitra. Ity firenena ity dia itambarantsika. Tsy mbola nifampiresaka izahay sy izany Tahina izany. Tsy fantatro izany «Mme Miryam» izany. Mila mitandrina amin’ny vaovao diso ny filohan’ny fanavaozana satria mbola be dia be ny olon’i Andry Rajoelina manome vaovao diso ao amin’ny fitantanan-draharaham-panjakàna ao. Mampalahelo mihitsy ny namana Harifidy hoe mpamakafaka dia zavatra tsy marina no tonga dia resahana anaty onjam-peo any. Tokony handeha ny fanadihadiana hoe taiza no nahazoany an’io vaovao io? Tokony hisy sazy izany satria fanohintohinana fitondràna. Samy mpanolontsain’ny mpitondra nefa na izy na i Tahina. Tokony hanao fanadihadiana lalina ny zandary! Isaorana ny fahasahian’ny filohan’ny fanavaozana tany Ivato. Tokony hisy fanadihadiana lalina ihany koa mikasika ireny raharaha sinoa ireny! «Passoire» na lavaka hoy izy ny seranana amin’ny resaka volamena sy vatosoa sy ny karazany. Tsy tanteraka ny fanapahan-kevitra hentitra satria miady irery ilay filoha ary izay no ilàna ilay fifanarahana politika hoe iza marina no tena vonona hanao fanavaozana? Ny amin’izao tsy fantatra mihitsy hoe inona no fanavaozana ho ataon’ireo ekipanao ireo? Tsara ny nambaranao rehetra teny Ivato fa tsy tanteraka satria ianao irery no hanao azy. Tsy hanongana fotokevitra mitovy amin’ny azy izany mihitsy ny antoko Kintana. Mifanaraka amin’ny fotokeviny izany fanavaozana izany. Ny hanamafy orina fanavaozana no hain’ny Kintana ka raha izany no ambara ho fanonganàm-panjakàna dia hanongam-panjakàna izany izahay. Mila ravàna ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 sy ny andrim-panjakàna rehetra tao. Izay no notakiana tamin’ny tolona. Ravàna ny HCC, CENI, Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona fa tsy mila miandry fikaonandoha izany, hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

Hijery ny tohiny
FTT