PRRM :

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Ampiasao ny maha Malagasy

antsika na misy fifamonoana aza !"

Notsikerain'ny PRRM Randrianirina Michael nandritra ny famaranana ny Fikaonandoham-pirenen'ireo Raiamandreny ara-drazana ireo fomba fijery mbola nolovaina tamin’ny fanjanahantany izay heveriny fa ilàna fivoarana sy ny fahatsapan-tena maha Malagasy. Ny Fitsarana eto amintsika dia mbola nadika sy nolovaina tamin'ny Frantsay,... Mbola izy no iainantsika amin'izao. Na ny didim-pitsarana aza misy Malagasy tsy mahafantatra satria tsy hainy ilay soratra ao,... Handalo fikaonandoham-pirenena isika ka miantso ny Raiamandreny, hampiasa ilay maha Malagasy ny PRRM, ilay dinika ambany kily na misy fifamonoana aza, tsy hanaiky hampiadiana. Notsoriny fa mivaona ny ankamaroan'ny tanora, ka ilaina ny "service nationale hors service", efa lasa miala ao anatin'ny hoe "discipline" ny tanora Malagasy kanefa ao anatin'ireny toy ny an'ny miaramila any amin'ny akademia dia mitaiza sy manabe ho tompon'andraikitra, ka hojerena ny hanaovana azy. Nanamafy ny ahiahiny momba ny olana lalovan’ny firenena ny ihany koa ny PRRM. Notsikerainy ny kolikoly, ny tsy fahampian’ny fitiavan-tanindrazana ary ny fahalemen’ny fihavanana eo amin’ny fiarahamonina. "Mazava ny dikany, fahendrena no tsy ananantsika, izay no mahatonga ny rehetra mahantra", hoy izy. Niantso ny Raiamandreny ara-drazana hijoro sy handray andraikitra amin’ny fiarovana ny harem-pirenena ihany koa izy. Nomelohiny ireo fanararaotana sy fandrobana ny harena voajanahary ary nambarany fa tsy tokony hangina manoloana izany ny olom-pirenena. Hoy izy: "Aza jerena fotsiny ny olona mangalatra ny harem-pirenentsika. Ianareo no mahita ireny. Mijoroa, ampandreneso ny Fitondram-panjakana. Misy Malagasy miray tsikombakomba amin’ireny". Nohamafisiny fa andraikitry ny rehetra ny miaro ny haren’ny Firenena sy ny maha Malagasy. "Mandalo fotoan-tsarotra ny Firenena rehetra eo an-dalam-pandrosoana ka ilaina ny fananana tantara iombonana sy ny fahatsapana fa iombonana ny fahoriana", hoy izy. Nanindry ny maha zava-dehibe ny fahatsapan-tena iombonana. "Ny andrasana amintsika Malagasy dia ny "conscience collective" na fahatsapan-tena iombonana. Izao asehonareo izao no ao anatin'ny fahatsapan-tena iombonana. Tohizo fa ny Fitondram-panjakana dia vonona hanampy anareo, hanosika anareo, hiara-dalana aminareo mba hametraka zavatra tsara ho an'ity Firenena ity", hoy izy raha nankasitraka ireo Raiamandreny ara-drazana. Nohamafisiny ihany koa ny maha zava-dehibe ny fifampiresahana eny amin’ny faritra sy ny fokontany, satria eo no miorina ny fanarenana ny firenena sy ny fampanjakana ny soatoavina Malagasy. Nampitandrina anefa izy ny amin’ireo mpanao pôlitika mety hampiasa ny tsy fitovian-kevitra hampisarahana ny Malagasy. "Izahay mpanao pôlitika tsy mahalala anareo raha tsy hilatsaka hofidiana. Mipetraka amin'ny tsihy dia manolotra valopy kely: omeo tsodrano izahay! Dia ekentsika ve izany? Tsy ekentsika izany", hoy izy. Niresaka ny maha zava-dehibe ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisim-pifidianana ny Filohan’ny Fanaovazana, ka nanentana ny rehetra handray anjara amin’ny fifidianana sy ny fanapahan-kevitra mamaritra ny hoavin’ny firenena. "Misorata anarana dia mifidiana rehefa tonga izany fotoana izany, fa misy mieritreritra sahady fa amin'ny alalan'ny hala-bato no ahafahany mandresy", hoy izy, sady nanamafy fa andraikitry ny olom-pirenena ny mandray anjara amin’ny famolavolana ny hoavin’i Madagasikara. Navoitrany ny hoe "tsy olom-bitsy no tokony hamaritra ny hoavin’ny firenena, fa ny vahoaka manontolo, ao anatin’ny fihavanana, ny fahendrena ary ny fahatsapan-tena iombonana.".
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

Hijery ny tohiny
FTT