Politique

Taekwondo WTF Mandalo eto i Tiavo, ho avy ireo manampahaizana Koreana


  • Alarobia 29 Jolay 2015

Manambahiny goavana maro amin’ity herinandro ny taranja taekwondo WTF. Efa tonga ny faran’ny herinandro eto ilay Malagasy tompon-dakan’i Frantsa sy Eoropa,

 

 Randrianisa Tiavo izay mizaka ny zom-pirenena Frantsay ary mpikatroka vao sokajy “cadette” mamiratra amin’ny sehatra iraisampirenena. Marihina fa mivoatra any amin’ny klioban’ny Cosma Acreuil Taekwondo ny tovovavy ary efa tompon-dakan’i Frantsa sokajy “cadette” ny taona 2013 ary tompon-dakan’i Frantsa sy Eoropa sokajy “junior” ny taona 2014. Marihina fa vao nandrombaka ny “Open d’Hollande” koa izy ny 17 febroary teo ary nahazo ny medaly volamenan’ny “Open de Turquie” ny 28 febroary teo. Hibanjina ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa sokajy “junior” indray izy izay hatao ny volana oktobra izao. Io no fandraisany anjara fanindroany. Mbola hiatrika fiofanana any Frantsa i Tiavo ny 1-10 aogositra izao hanomanana izany. Ankoatra izay dia manampahaizana manokana efatra teratany Koreana tatsimo no hoavy hampiofana eto Antananarivo ka rahampitso 29 jolay izy ireo no higadona eto. Io fiofanana io moa dia entina hanomanana ny Lalao Afrikana hatao any Congo Brazzaville amin’ny volana septambra.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT