Politique

Tabera Randriamanantsoa Tsy nanaiky ny tsy ara-dalàna mihitsy tamin’ny tetezamita


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Minisitra tsy nanaiky ny tsy fanarahan-dalàna mihitsy tamin’ny andron’ny tetezamita 2009-2013 notarihan’Atoa Andry Rajoelina Atoa Tabera Randriamanantsoa filohan’ny antoko Kintana.

 

Nambarany fa izy no minisitry ny tetezamita tsy nanisy sarin-dRajoelina tao amin’ny birao fiasany nefa kosa tsy nandrara an’ireo mpiara-miasa taminy te-hanao izany. Mbola nambarany koa fa izy dia tsy nanaiky ny hanao sonia ny antontan-taratasy tonga tao aminy raha vao ny soratra hoe : Andry Rajoelina filoham-pirenena no hitany ao amin’izany antontan-taratasy izany fa tsy ny hoe : Andry Rajoelina filohan’ny tetezamita misahana ny andraikitry ny filoham-pirenena no ao. Raha ny marina, hoy ity mpanao politika ity, dia tsy tokony hisy mihitsy ny filankevitry ny minisitra tamin’ireny andro ireny satria tetezamita hanomana fanatanterahana fifidianana no nipetrahanay teo. Heveriko fa tsy misy valaka amin’izay koa ny amin’ny governemantan’ny praiminisitra Ntsay Christian ankehitriny sady efa filoham-pirenena nambaran’ny HCC fa teny nandika lalàmpanorenana Atoa Hery Rajaonarimampianina. Tokony hisoratra ao anaty antontan-taratasim-panjakana fandraisana fanapahan-kevitra isan-karazany ankehitriny ny amin’io didy navoakan’ny HCC  tamin’ny 25 mey 2018. Raha ny mahakasika izay mety hirotsahany ho kandidà ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana manaraka indray dia nambarany fa azo eritreretina izany nefa tsy dia mbola mahamaika loatra aloha fa ny fampihavanam-pirenena teny hisian’ny fitoniana aloha izao no tokony hokatsahina dia ny “referendum” hanovana ny lalàmpanorenana no hatao amin’ny faramparan’ity taona 2018 ity ka amin’izay azo eritreretina hatao amin’ny volana mey 2019 tsara ny fifidianana filoham-pirenena eto amintsika.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT