Tsy nitranga ireo zava-mahamenatra in-droa miantoana fifanonganana teo amin’ireo andrim-panjakana roa mpanatanteraka sy mpanao lalŕna raha nipetraka talohan’ny fifidianana filoham-pirenena ilay Filan-kevitry ny fampihavanam-pirenena
, hoy ny filoha lefitry ny ny «Comité pour la Réconciliation Nationale» Tabera Randriamanantsoa. Fanapahan-kevitra fanavotana ny filohan’ny Repoblika ihany ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny amin’ny fametrahana ilay «pacte de responsabilité». Midika fa tsy hamaha olana velively io fifanarahana hifehy ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Antenimieram-pirenena io. Mikasika ny fifidianana kaominaly hotanterahana eto amin’ny firenena rahampitso zoma 31 jolay 2015 indray dia mahita ity mpiara-dia amin’ny profesora Zafy Albert ity fa hiteraka olana vaovao eto amin’ny firenena ny fanatanterahana izany amin’izao fotoana izao. Tsikaritra ho nifototra tamin’ny fifanatrehana vaovao teo amin’ny filoham-panjakana teo aloha Ravalomanana Marc sy Rajoelina Andry mantsy ny fampielezan-kevitra izay nifarana omaly. Vahaolana tokana hampilamina an’i Madagasikara ny fananganana ny «Conseil National de la Réconciliation» izay efa nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra tamin’ny 8 jiona 2015 teo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.