Nitondra ny heviny manoloana ny fiainam-pirenena i Sylvain Rabetsaroana, loholona teo aloha. Navoitrany ny tokony hirosoana amin`ny fifidianana malalaka, andraisan`ny rehetra anjara ary tsy manilika satria izany no demokratika tanteraka.
Efa nanao fanambarana ny praiminisitra Ntsay Christian fa feno ny fepetra mba hahatongavana amin`izany fifidianana izany ary efa nandroso ireo tetiandrom-pifidianana mifanaraka amin`ny volazan`ny lalàmpanorenana. Nohitsiany fa tsy azo rebirebena sy ahodinkodina intsony ny sain’ny vahoaka satria mampalahelo sady efa niainany rahateo ny tranga tamin`izany nandritra ny vanim-potoana maro nifandimby niainan`ny firenena. Araka izany, ny sosialim-bahoaka no tokony himasoan`ireo kandidà amin`ny fifidianana manaraka. Mahakasika ireo manohitra ny fifidianana indray, dia nilaza Atoa Sylvain Rabetsaroana fa demokrasia marina ka afaka maneho ny heviny daholo ny olona satria tena latsaka an-terena i Madagasikara. Toy ny hetsika fanorenana ifotony (HFI), ankasitrahany ny fanorenana ifotony saingy tokony hirotsaka na mandrotsaka kandidà izy ireo ary any amin`ny fampielezan-kevitra halalaka ny fanehoan-kevitra fa raha amin`izao fotoana izao, mbola sarotra ary lasa atao ankamehana fotsiny. Notsindrian`ity mpanao politika ity fa miasa milamina ny antoko PNJ Mazava, izay nandrotsaka azy tamin`ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, mba hanasoavana ny firenena. Anisan`ireo tena sarotiny amin`i Madagasikara sy ny harenany, I Sylvain Rabetsaroana, ka tokony hojerena manokana ny gaboraraka misy eto amintsika. Betsaka no manao kolikoly amin`ny harena ankibon`ny tany kanefa tokony hianjera any amin`ny kitapom-bolam-panjakana ireny, hoy izy. Manao antso avo amin`ny fanjakana ny tenany fa tokony ho hentitra ny fanaraha-maso amin`ireny mpitrandraka fahatany. Raha tsy haintsika ny mifehy ny fananantsika ho an`ny vahoaka Malagasy dia hangataka foana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.