Tsy re feo firy intsony ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier taorian’ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny praiminisitra ankehitriny. Tsaroana tsara kosa ny teny nataony tamin’izay ka nilazany hoe: “mametraka ny mandrapihaona vetivety” ny 6 jona lasa teo.
Nihevitra ny rehetra taorian’izay fa mety mbola hotendrena tao anatin’ny governemanta izy fa tsy hisintaka lavitra, saingy tsy izay no niseho. Inona izany ilay mandrapihaona vetivety ? Nalaza tato ho ato fa anisan’ireo ho kandida filoham-pirenena ny tenany, saingy andrasana aloha izay mety ho fihetsiny hanamarina na handiso io resaka mandeha io. Raha ho tanteraka izany, dia tombanana fa hisintaka ao anatin’ny HVM toa an-dry Harijaona Randriarimalala, Paul Rabary ihany koa i Solonandrasana Mahafaly izay efa hatry ny ela no fantatra fa tsy dia tsara resaka amin’ny mpitarika sasany ao amin’ity antokon’ny fitondrana ity… Niantsoroka ny lalàm-pifidianana ny tenany, ka tsy hay na izy no nambaran’ny minisitry ny mponina teo aloha Onitiana Realy ho isan’ny nanipy hoditr’akondro ny filoha nandritra ny fanehoan-keviny ny herinandro lasa teo. Teny nataon’i Onitiana Realy rahateo ny hoe: ny olona namolavola iny lalàm-pifidianana niteraka savorovoro iny izao, dia re siosio fa ho kandida. Andrasana izay tena dikan’ilay mandrapihaona vetivety e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.