Tsy mamadika ny tolona ny depiote Tiako I Madagasikara, izay efa nifanao velirano tamin'ny vahoaka sy ireo sendika. Mijoro hatrany hatramin'ny farany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey omaly.
Saika ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko TIM sisa no hita teny an-kianja omaly ary tonga navitrika nanampy azy ireo ny avy amin’ny sendika maro noho ny mbola fisian’ny minisitra HVM ao anaty governemanta. Tsy hita teny an-toerana ireo depiote avy amin’ny vondrona MAPAR, izay tsy fantatra mazava ny antony ka dia andrasana izay mety ho fanazavana. Ho an’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy kosa dia “Malade”, hoy ny hafatra tao amin’ny tambajotran-tserasera fesiboky. Ny sabotsy teo anefa, dia mbola hita teny ireo depiote, toa an-dry Tody Arnaud, Tinoka Roberto, … Tsiahivina hatrany, fa ny alahady teo dia nisy ny fandaharana nataon’ny filohan’ny tetezamita tamina fahitalavitra tsy miankina iray. Toa nipasopasoka daomy no nataony, izay mampipetraka ny ahiahy fa efa tsara petrapetraka ny fifanarahana ambadika tany ho any. Tsy mendrika ny Malagasy intsony ny korontana, hoy ny filohan’ny tetezamita teo aloha ka aleo samy mampandefitra ny hambompony. Raha misy ny tsy fitiavana ny filoham-pirenena dia any amin’ny fifidianana no hanehoana izany, ka avoahy ary ny datim-pifidianana dia ho hita mazava eo ireo kandida, hoy i Andry Rajoelina. Raha halalinina io, dia tsy miombon-kevitra intsony amin’ny hoe: “Miala Rajao” ny filohan’ny tetezamita teo aloha. An-daniny, ny takarivan’ny alahady ihany, dia nitondra fanehoan-kevitra mivaivay somary namaky bantsilana ny fifanarahana tsy mazava nety niseho tany ambadika tany i Marc Ravalomanana, izay nilaza fa tsy nanasonia fifanarahana velively na tamin’iza na tamin’iza. Matoa mbola mitohy ny tolona, hoy izy, dia tsy nisy mahafa-po izany, ary vonona ny hidina eny an-kianja izy raha ilaina. Efa tena afa-po kosa ve izany ny MAPAR matoa tsy tonga teny an-kianja intsony omaly sa antony hafa mihitsy ? Andrasana ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.