Hatomboka tsy ho ela ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina Ivato. Napetraka omaly ny vato fehizoro fanombohana ny tetikasa. Ho hita eny an-toerana ny faritra fampiasam-bola ara-toekarena sy ny toerana malalaka momba fifanakalozana ara-barotra mirefy hatrany amin’ny 700m², hisy ihany koa ny fanorenana “Terminal C”
vaovao mirefy 17 500 m² ary hohatsaraina ny efa misy amin’izao fotoana. 150 tapitrisa euros ny saran’ny asa fanamboarana sy fanitarana izay hiandraiketana orinasa Frantsay 4, haharitra 36 volana na 3 taona ny asa. Hahazaka mpandeha 1,5 tapitrisa isan-taona ny seranam-piaramanidin’Ivato rehefa vita ny fanitarana azy, io no ho seranana maoderina sy lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Miisa 24 ireo “comptoirs d’enregistrement”. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena tahaka ireo seranam-piaramanidina maro any ivelany ny eny Ivato rehefa vita. Tsy maintsy mitsinjo lavitra isika, hoy ny filoha Rajaonarimampianina izay nitarika ny lanonana teny an-toerana rehefa ny fampandrosoana no banjinina, ary ho "fitaratr'i Madagasikara" ity fotodrafitrasa goavana ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.