Nitsidika am-pomba fifanajana ny praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo omaly ny lehiben’ny delegasionin’ny vondrona Eoropeanina eto amintsika Atoa Antonio Sanchez-Benedito.
Fanomezan-toky ny fitondrana Malagasy ny fanampiana sy fanohanana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana no votoatin-dresaka, niampy ny fanamafisan’ny vondrona eoropeanina ny tantsoroka ataony amin’ny asa fampandrosoana. Niarahaba sy nirary soa an’ingahy praiminisitra ihany koa i Antonio Sanchez-Benedito. Mihazakazaka amin’ny fanohanana ity praiminisitra ity sy ny fandrisihana mafy ny hanaovana fifidianana amin’ity taona 2018 ny sehatra iraisam-pirenena. Fihetsika heverina fa lojika ihany satria tsy takona hafenina intsony izao fa olona tena atokisan’izy ireo Atoa Ntsay Christian ary azo antoka fa notohanan’izy ireo mafy mba ho lasa praiminisitra. Fa moa ve vahaolana mahomby sy maharitra tokoa ny firosoana faran’izay haingana amin’ny fifidianana amin’izao zava-misy iainan’ny firenena izao ? Fampihavanam-pirenena tsy misy tokotaniny, ny fifamaliana amin’ny samy mpanao politika miha mahery vaika. Ireo sendika tsy manaiky lembenana fa mitaky zavatra maro be amin’ny fanjakana. Izany ve no hiatrehana fifidianana afaka volana vitsivitsy ? Maro no manahy fa sao dia atosika mafy mba hisavorovoro ny Malagasy, tahaka ny mpitranga amina firenena Afrikanina maro dia tonga mody mandamina ny vazaha sady mitsentsitra ny harena eto ihany. Avy eo mora ho azy ireo ny mametraka ny olony amin’ny fitantanana ilay firenena mba hahafahana manohy ny fitsentsefana ny harem-be misy ao. Raha tsy mahay mitandrina ireo vondron-kery politika lehibe eto amintsika manoloana izany trangan-javatra izany dia zava-doza ho an’ny firenena satria izay mpitondra ho avy eo dia ahiana ho kandidàn`ny iraisam-pirenena fa tsy kandidàn`ny vahoaka akory. Iza amin’ireo mpanao politika ao anatin’ny fitondrana moa no mba sahy hijoro ka hanohitra ny fitsabatsabahan’ireo firenen-dehibe amin’ny raharaham-pirenena ? Ilaina ny fiaraha-miasa fa loza amin’atambo ho an’ny firenena kosa ny fanararaotan’ny vahiny ny savorovoro politika mba hahazoan’izy ireo tombontsoa !
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.