Politique

Sehatra iraisam-pirenena Kandidà toa inona no metimety kokoa aminy ?


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Tena eo ambany vahohon’ny iraisam-pirenena i Madagasikara amin`izao fotoana. Mbola fanina daholo ny rehetra tamin`ny fomba nanendrena an`ny praiminisitra Ntsay Christian. Ny azo antoka dia tsy tonga tonga ho azy ny korontana eto amin`ny firenena.

 

Ny maodely ho an`ny famahana krizy teto Madagasikara nandritra ny taona 2009 no tian’ ny vahiny apetraka hatramin`izao, izay atao hoe “modèle-type” rah any fitazana azy. Raha hiverenena ny tantara, ny taona 2002 no niady tombontsoa teto Madagasikara ireo firenena matanjaka. Hita taratra izany tao anaty fifidianana sy ireo zava-nitranga nifanesy. Taty aoriana, nifanaraka ireo firenen-dehibe ireo saingy samy manana kandidà sy manohana ny azy fa tsy miady kosa. Anatin’ izay fifanosehana izay dia misy ny fanomezana fitaovana, na koa fiarovana ny olony. Mitovy endrika amin`ny fiainam-pirenena any Guinée Bissau no zava misy eto Madagasikara saingy eto amintsika misy “mouvement de transition douce” izany hoe tsy ao anatin`ilay rà mandriaka be na faty olona mikararahana no hiovan’ny fanjakana. Araka izany, manomana mpanao politika  efa fantany hiaro ny tombotsoany ny tsirairay. Misy ihany koa mpiasam-panjakana ambony na eto amintsika na iraisam-pirenena izay efa homanina. Tsaroana ohatra ny fametrahana ny Praiministra Omer Beriziky tamin`ny tetezamita, hiara mahafantatra fa ambasadaoro tany amin’ny vondrona  tany Bruxelles ny tenany tamin`ireny ka notadiavana  an`ilay marimaritra iraisana ary tena nanohana mafy azy ny vondrona iraisam-pirenena mba hampisy fitoniana mba hirosohana amin`ilay fifidianana. Izao indray ity praministra vaovao ity dia olona efa niara niasa akaiky tamin`izy ireo ary nasandratry ny iraisam-pirenena tsimoramora. Tsy tao anatin’ny tombatomban’ny rehetra anefa i Ntsay Chrisitian ary ny fanendrena azy moa mbola manjavojavo. Ankehitriny, atosika mafy ny hoe mila manao fifidianana maika satria re fa efa misy olom-baovao miandry “Top” fotsiny any ambadika any.

Tombontsoa

Mikendry tombon-tsoa jeopolitika sy statejika tokoa ny sehatra iraisam-pirenena ka mila kandida afaka mitazona izany tombotsoa politikany izany. Mila olona mahay mametraka an`izay politika izay ary manaiky hanao izay zavatra izay. Misy ihany koa ny tombontsoa ara-toekarena  satria maro ireo tandrefana no miasa eto amintsika: sehatra maro toa ny fitrandrahana harena an-kibon`tany, entona natoraly, solika … Ireny dia efa misy fifampitsinjarana , no sady mbola manana ny kajikajiny koa ny samy firenena vaventy toa an’i Frantsa,Etazonia, Rosia, Chine... Tsy adala ny vahiny misisika mafy hampanao fifidianana fa efa kajy mirindra hahafahany mametraka ny olona metimety aminy io mba hanohizana ny fiaraha-miasa sy ny fitrandrahana ny harena misy eto.Ny Malagasy rahateo variana mifandrafy hany ka mora ny mitsetsitra ny harenany.

Marigny A.      

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT