Politique

Roa volana katroka ny 13 mey Hisy fanambarana goavana


  • Zoma 22 Jona 2018

Feno roa volana katroka rahampitso sabotsy ny tolon’ny 13 mey nanomboka ny 21 aprily 2018, ka hisy ny fanambarana goavana eny an-kianja ataon’ny depiote TIM sy ny mpanara-dia ny tolona rahampitso.

Nampiakatra ny herin’ny TIM sy vao mainka nanamafy ny fifamatorany amin’ny vahoaka ny tsy fivadihana amin’ny tolon’ny 13 mey, izay mitohy mandrak’ankehitriny na teo aza ny fisintahan’ny MAPAR tsy an-kiera sy tsy nisy fifampiresahana fa vao nahazo seza, dia nanao sambo nilentika. Vao mainka mafana fo ny olona, ka maro ny maneho hevitra hoe tsy olana ny fisintahan’ny MAPAR, fa miavaka izany izao ny vary sy ny tsiparifary. Tsy ny TIM ihany no hita eny an-kianja na maro an’isa aza, fa eo ihany koa ny olom-pirenena tsotra mahatsapa fa tsy lasa intsony izao zava-misy izao, indrindra fa ny politika maloto ezahina hamafisina eto amin’ny firenena. Ho sahirana eo ny TIM sy i Marc Ravalomanana raha vao miverin-dalana eo. Porofo iray lehibe ho azy ireo hahafahana manao tsindry politika ny fisian’ny tolona, ka hanehoana hatrany fa mafy sy matanjaka sy tsy azo hamaivanina ny TIM sy i Marc Ravalomanana raha mbola eto Madagasikara. Mety hiteraka fahatezerana ho an’ny vahoaka ny fisintahana tsy misy fifampierana, toy ny nataon’ny MAPAR. Raha tsy maintsy hiroso amin’izany, dia mila mazava amin’ny rehetra ny antony. Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hitsahatra ny tolona eny an-kianja, miankina amin’ny fivalian’ny fitakiana natao, izay iarahana amin’ny sendika maro sy ny Malagasy mangetaheta fiovana. Ho avy indray ny antsojay satria sady mety hialan’ny vahoaka no ho tratry ny vely kanota sy ny valifaty politika raha vao miala sy mahafoy ny vahoaka eo koa. Tsy amin’izao ihany no hitsaran’ny vahoaka ireo mpanao politika fa efa akaiky ny fifidianana, ary hotsarain’ny tantara eo izay tena niezaka niady ho an’ny Malagasy na mety tsy ho tratra 100% aza ny mponina. Iza no mpamadika sy nanao tohatra fiakarana sy nitsipa-doha ny mpitolona rehefa azony ny seza niriany mafy ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT