Talohan’ny nanendrena ny praiminisitra ny alatsinainy 4 jona, dia nambaran’i Rivo Rakotovao filoha nasionalin’ny antoko HVM omaly, fa nisy ny fifanarahana politika voasonia satria tsy afaka nanendry praiminisitra ny filoha raha tsy nisy izany.
Nohamafisiny fa efa nisy ny adivarotra amin’ny fitsinjaran-toerana. Inona no tsy hamoahana azy ho fanta-bahoaka mba hisian’ny mangarahara ? Nambara fa hanamafisana ny herin’izy ireo eny amin’ny antenimiera no tsy nanendrena ireo avy amin’ny depioten’izy ireo ho minisitra na nisy aza ny anaran’izy ireo natolotra. Hanamafisana fa ny HVM no maro an’isa indrindra ara-kevitra, arak’isa ao anatin’io andrim-panjakana io, hoy i Rivo Rakotovao. Mbola miziriziry ry Rivo Rakotovao sy ny ekipany fa ara-dalàna ny vondrona parlemantera HVM. Vonona ny hiatrika fifidianana ary manosika an’i Hery Rajaonarimampianina hatrany ho kandida raha ny fanambarana omaly. Na ilay ambara fa vondrona parlemantera HVM aza toa efa naman’ny fongana, hany ka ny filohany Jaona Elite aza efa niala. Tsy misy an’izany HVM izany rahateo raha ny lalàna sy voka-pifidianana navoakan’ny CES 11-CES/AR.14 tamin’ny 14 febroary 2014 momba ny valim-pifidianana depiote, mamaritra ny maro an’isa no jerena. Raha izay dia ny HVM no tokony ho nanendry ny praiminisitra. Tsy atao mahagaga moa fa efa fanaony io midingin-drambo io, ary tsy hanaiky resy mihitsy ry Rivo Rakotovao sy ny HVM na fatra-panitsakitsaka lalàna aza, toy ny fandavana ny didim-pitsarana. Ity farany no re fa tena fositra, ka mampisitaka ireo tandapa sasany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.