Politique

Rivo Rakotovao Olana lehibe ho an’ny fitondrana


  • Alarobia 18 Jolay 2018

Tsikaritra ho tena olana lehibe ho an’ny fitodrana Rajaonarimampianina i Rivo Rakotovao, filohan’ny antenimierandoholona sady Filoha nasionalin’ny HVM, sokajiana ho laharana faharoa eto amin’ny firenena.

 

Tsy tian’ny HVM maro noho ilay toetra mpihantsy ady sy tsy mpanaiky marimaritra iraisana mantsy izy. Maro amin’ireo olon’ny HVM no efa karazan’ny nisintaka sy mandeha irery, ary re fa isan’ny antony lehibe mahatonga izany ny fihetsik’ity filohan’ny antoko ity. Olona tena andry niankinan’ny HVM, ohatra ny Minisitry ny fampianarana teo aloha Paul Rabary, saingy ny 20 jona lasa teo i Rivo Rakotovao dia nanenjika an-kolaka azy, ka nilaza fa rariny ny fitakiana sendikaly ataon’ny mpampianatra, ka isan’izany ohatra ny tambin-karama tamin’ny fitsarana fanadinana, ary nametraka fanotaniana momba ny antony tsy nahaloavana ireny. Tsy levon’ny vavoniny ny horonantsary 9 minitra  navoakan’i Paul Rabary, izay heverina fa fampiomanana sahady fa ho isan’ny kandida filoha, toy ny “mandrapihaona vetivety” nataon’ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay malaza ihany koa fa mety ho kandida. Tsy tongatonga ho azy ny tsy naha mpanolontsain’ny filoha intsony an’i Mbola Rajaonah sy ny fisintahan’i Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite tao anatin’ny HVM, izay midika fa efa tena nisy zavatra goavana tsy nifankahazoana tao. Tsy azon-dRajaonarimampianina sy ny HVM ianteherana  i Rivo Rakotovao, kanefa ireo heverina fa andry iankinana toa efa misintaka tsikelikely noho ity lehiben’antoko ity. Mety azo sokajiana ho rangory fototry ny afo amin’ny tsy fahombiazan’ny filoha ihany koa i Rivo Rakotovao, raha ny fahitan’ny maro azy .

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT