Nametra-pialana tsy ho filoha Nasionalin’ny Antoko HVM i Rivo Rakotovao, araka ny fanambarana nataony teo imason’ireo Birao nasionalin’ny antoko sy ireo mpikatroka teny amin’ny Hotely Carlton Anosy omaly.
Tsy miala HVM ny tenako, hoy izy, fa miala tsy ho filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna. Manomboka mazava ny kajikajin’ny HVM satria nohamafisin-dRakotovao fa i Hery Rajaonarimampianina no hatolotra sy hotakiana harotsaka ho kandida. Raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-46, dia izy amin’ny maha filohan’ny antenimierandoholona azy izany no handray ny fahefana rehefa ofisialy ny firotsahan-dRajaonarimampianina, izay tsy maintsy miala 30 ka hatramin’ny 60 andro mialoha, ka miomana amin’izany ny HVM. Manao don-tandroka sy manamaivana ny mpifanandrina sahady i Rivo Rakotovao amin’ny hoe: mpandresy isika na tsy mampiasa fitaovam-panjakana aza satria isika manana ny antsika, tsy maharesy antsika ireo satria ny fiomanantsika efa tsara,.... Efa tsara omana ihany koa ve izany ny hala-bato ka tsy manomboka akory ny fifidianana dia toa efa milaza tena ho mpandresy ? Na tsy ho filohan’ny HVM intsony aza izy, dia sarotra inoana ny tsy hampiasana fahefam-panjakana hampandresena ny kandidany. Momba ireo niala tsy ho HVM, dia soa fa nisy an'ireny hahafantarana mijery hoe hatraiza ny finiavanao hiaro ny filoha nametraka anao teo amin’ny toerana; mitady valim-babena ny filohantsika, ka izay kely ananantsika no hatolotsika sa ny adversera politika indray ary ve no hanome ? Mitady valimbabena ny filoha ka izay nahazo misimisy dia mitondrà misimisy, hoy hatrany izy. Toa manaporofo sy manamafy fa nalalaka izany ny fangalarana sy fangoronan-karena, ka rehefa mba nahazo nisinisy, dia tokony handrotsaka misimisy e ? Hatao any Diego ny 10-11 aogositra izao ny fihaonambem-paritry ny HVM, ary zava-dehibe no ambara fa hatao any, hoy hatrany i Rivo Rakotovao. Tombanana avy hatrany fa mety hifantoka amin’ny fanambarana ofisialy ny firotsahan-dRajaonarimampianina ho kandida filoham-pirenena io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.