Manoloana ny fifidianana izay tereren-ko masaka ataon’ny governemanta Ntsay Christian amin’izao dia manambara izahay, hoy i Riribe, filoha nasionalin’ny fikambanan’ny gadra politika eto Madagasikara sady filohan’ny Zatovo Toamasina fa tsy matahotra hiatrika fifidianana hampandany ny olona izay tohananay dia Atoa Marc Ravalomanana ary « 1er tour » dia vita.
Manoloana ny zava-misy iainan’ny firenena ankehitriny anefa, toy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, asan-dahalo, kidnapping, vono olona, fitakiana sendikaly, tsy fahavitan’ny fampihavanam-pirenena mialoha ny fifidianana, ny tsy fahafenoan’ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny fisian’ny olona efa manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sahady, ny mbola fipetrahan’ireo tompon’andraikitra HVM sy MAPAR hatrany amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny fitantanana ambony, ny fanaovana fifidianana amin’ny fotoam-pahavaratra dia ambaranay fa hiteraka korontana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ireo rehetra voalaza ireo ary ambara fa tompon’andraikitra feno ny Hcc sy Ceni. Noho izany dia tsy maintsy hahemotra ny fifidianana kasaina hatao amin’ny 7 novambra sy 16 desambra 2018 ho avy izao. Vahana aloha ireo olana rehetra miseho eto amin’ny firenena ireo, indrindra ny fametrahana fanorenana ifotony sy fampihavanam-pirenena vao manao fifidianana isika Malagasy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.