Politique

Riana Andriamandavy VII Minisitry ny serasera mampiahiahy


  • Talata 12 Jona 2018

Omaly hariva ihany dia efa resa-be eraky ny orinasa fanaovan-gazety ny nanendrena an’i Riana Andriamandavy VII ho minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana.

Mety misy ireo minisitra vaovao maha be resaka na azo iadian-kevitra ihany ny anjara toerana hosahaniny fa ny an’ity loholona HVM ity no tena nahatalanjona indrindra ka nahatonga ny mpanao gazety naminavina avy hatrany fa kajy politika goavana io. Filohan’ny Jeune TIM tamin’ny fitondrana Ravalomanana i Riana Andriamandavy VII. Efa minisitry ny fizahantany nandritra ny fitondrana tetezamita. Nisy fotoana efa nanana olana tamin’ny resaka fitsarana izy ary efa voasava trano mihitsy aza saingy tsy tao fa ny vadiny no niatrika ny mpanao fanadihadiana. Nivadika ho HVM tanteraka izy taty aoriana ary tsy takona afenina ny fiarovany an’i Claudine Razaimamonjy nandritra ny fanenjehana azy momba ny raharaha kolikoly. Tsaroan’ny rehetra ny fitondrana andian’olona mahery fihetsika nitoratoraka ny toeram-piasan’ny Bianco teny Ambohibao. Maro ny teny mahery na mety tsy voahevitra navoakan’ity mpanao politika ity ary tsy vitsy ny mpanao gazety efa nifandona taminy. Mpanao politika raindahiny izany no hitantana ny minisiteran’ny serasera eto Madagasikara. Hahavita hanatsara io tontolo io ve sa vao miha hanao zava-doza noho ny nataon’ny minisitra teo aloha ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT