Vao manomboka dia nitsimbadika ny voka-pifidianana tao amin’ny Kaominina Alarobia, Distrikan’i Manjakandriana, na mbola vokatra vonjimaika aza
. 7 aogositra 2015, milaza ny vokatra feno vonjimaika navoakan’ny SRMV avy amin’ny biraom-pifidianana 15 fa mahazo vato 952 (24,66) ny MAPAR ary 949 (24,59%) ny Afom-pivoarana tamin’ireo lisitra enina nifaninana. 11 aogositra 2015 namokatra feno vonjimaika avy amin’ny biraom-pifidianana 15 ny SADIR (Structure Ad’hoc Interrégionale) -Tana 954 (24,63%) ny MAPAR ary 957(24,71%) ny Afom-pivoarana. Tamin’ireo vokatra roa ireo dia tsy niova ny na ny isan’ny voasoratra anarana 8345, na ny tonga nandatsa-bato 4019. Ny vato fotsy sy tsy manan-kery no nisy fiovana, ka raha 159 ny 7 aogositra 2015 dia nihena ho 146 ny 11 aogositra 2015, fiovana izay nampitsimbadika ny voka-pifidianana. Rasoarimalala Marie Josephine, vadin’ny depiote Rossy na Rahasimanana Paul Bert, no narotsaky ny MAPAR ho kandida Ben’ny tanàna tao Alarobia. Ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no hamoaka ny vokatra ofisialy amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna. Raha izao fisehony izao dia tsy ho vitan’ny fampanenoana lakolosy sy katro-doha intsony ity fa mety hampiongo-bolo an’i Rossy a !
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.