Politique

Resy tamin’ny fifidianana Miady an-trano ny samy HVM


  • Zoma 14 Aogositra 2015

Tafakatra hatreny amin’ny haino aman-jery ny disadisa anatiny eo amin’ny samy HVM ao Ambatondrazaka.

 

 Ny tsy fahalanian’ny kandidan’ny HVM tao Ambatondrazaka no vao mainka nampizarazara ireo mpiray antoko ary tonga hatramin’ny fifanaratsiana mihitsy. Mandeha avokoa izao karazana fandrahonana ho famindran-toerana sy fanalana ny olona iray amin’ny toerany fa hoe fositra tsy nahalany ny kandida HVM tao Ambatondrazaka. Tamin’ny fisafidianana izay ho kandida dia efa hita taratra ny fizarazarana eo amin’ny samy HVM. Vaky ambatolampy izany rehefa tsy nahomby izy ireo tao Ambatondrazaka ambonivohitra. Tsy fantatra aloha hoe ho tonga hatraiza izao fifanaratsiana eo amin’ny samy HVM izao, fa ny tazana dia manomboka manangana ankolafy avy mba hiatrehana ny fananganana ny Antenimierandoholona ny sasantsasany amin’izy ireo.

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT