Politique

Resaka fanorenana ifotony Lasa lamaody


  • Talata 12 Jona 2018

Antoko, vondrona, vovonana politika, samy manitrikitrika ny amin’ny maha laharam-pahamehana ny fanorenana ifotony daholo.

Ny tsikaritra anefa dia tsy misy manana drafitra maty paika ombam-botoaty hahatongavana amin’izany izy ireo fa zary lasa manao lamaody ilay teny maneno hoe « refondation » fotsiny ihany avokoa. Ny sasany miresaka fokonolona kanefa manafangaro izany amin’ny rafitra federalisma, izay rafitra efa ambaran’ireo mpandinika fa tsy afa-maniry na hoe tsy mety amin’ny rafitra eto Madagasikara. Ry zareo alemanina no tompon’ny federalisma. Ny sasany milaza fa ny fampihavanana no tokony hanombohana azy kanefa dia mijanona eo amin’ny maha zava-dehibe ny fampihavanana ara-politika ihany fa tsy miditra amin’ny fampihavanana tokony hatao isam-paritra. Fehiny, tsy mety tafiditra ao anaty raharaham-pirenena mihitsy ireo vahoaka madinika fa misavoana eny ambony eny fotsiny foana ilay mody lazaina hoe fanorenana ifotony. Tsy mahagaga ihany anefa satria saika mpandraharaha sy tekinisianina avokoa ny ankamaroan’ny mpanao politika eto amintsika. Hany ka ny tombontsoan’izy ireo sy ny orinasany no tena ataony laharam-pahamehana ka zary alaim-panahy hiditra amin’ny fifampiraharahana lalina amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany na dia hampidi-kizo ny fireneny aza. Lasa lamaody sy fisarihana fom-bahoaka fotsiny, araka izany, ity resaka fanorenana ifotony ity saingy mbola lavitra ezaka ny fametrahana azy.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT