Tsy mankasitraka amin’ny hirosoana amin’ny fifidianana ny Hetsiky ny Fanorenana Ifotony na ny HFI, izay nohamafisin’i Pety Rakotoniaina iray amin’ireo mpikambana tamin’ny fandaharana Vahaolana ao amin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 FM.
Ny zava-dehibe dia ny ny lalana hivoahana amin’izany satria tsy vao izao ny krizy miverimberina hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Nisy ny fifidianana, toy ny tamin’ny 2013 fa niverina ihany ny krizy, hoy izy. Manabarabara ny Malagasy izay milaza hoe : hatao ny fifidianana, ka izay lany eo no manao lalàmpanorenana, ka anisan’ny notononiny tamin’ny fivoizana io ny vondrona ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar) ahitana ny MAPAR, Antoko Maitso, Avana,... Izay tonga teo dia nanao izany, ary ny lalàmpanorenana tamin’ny 2010 izao dia namboarina ho an-dRajoelina hoe olona 35 taona dia afaka mirotsaka, hoy izy. Izay no maha may ny ARMADA hoe andao hatao ny fifidianana, hoy i Pety Rakotoniaina. Raha ny fanefoan-kevitra hafa, dia tsy anjaran'ny mpanao politika amin'izao intsony no manao ny Fanorenana Ifotony fa halefa ny fifidianana, dia ny filoha vaovao no manao izany, raha ny fanehoan-kevitr’i Andriantsizehena Benja Urbain avy amin’ny antoko RPSD omaly. Mitohy sy miha mafonja ny tsy fitovian-kevitra amin’ity resaka fanatontosana ny fifidianana ity ary samy mandrirotra ny heviny, fa izay fifandaminana aloha tsy misy, ka ho rombo sy gidragidra hatrany izy ity raha izao no mitohy, ary efa manomboka izy io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.