Novakian’ny depiote Razafindrafito Lova Narivelo filohan’ny vondrona parlemantera HVM teny Tsimbazaza tamin’ny faran’ny herinandro teo fa tsy depiote lany tamin’ny antoko HVM
izy sy ireo namany maromaro ka tsy tokony hisy baiko avy amin’io antoko io hiantefa mivantana amin-dry zareo. Matoa misy ny savorovoro ankehitriny, hoy izy, dia noho ny tsy fitovian-kevitra sy ny tsy fisian’ny fifampiresahana. Asa aloha izay nahazo an-dranamana avy eo fa ohatran’ny nanalefaka fomba fiteny indray izy ka nilaza fa : « mety mba nentim-po angamba ny filohan’ny antoko HVM tamin’ny nitenenany fa horoahina tsy ho HVM intsony izahay ». Izahay anefa dia namorona ity vondrona parlemantera ity fotsiny tany am-boalohany mba hoentina hanampiana ny filoha Rajaonarimampianina izay tsy manana olona mazava ato amin’ity Antenimiera ity ary izahay ireto izao mbola eto daholo na dia olona 6 aza izahay no namorona ity vondrona parlemantera ity tany am-boalohany. Izahay akory tsy mpikambana ao anaty birao politikan’ny HVM, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Ifanadiana tamin’ny alalan’ny tsy miankina ity. Averinay fa « faharesena lahatra no namoronanay ity vondrona ity tetsy Tsimbazaza. Dia ho aiza indray izany izao rehefa mety tsy hisy intsony izany fifampiresahana izany ?
Ntsoavina Evariste
SARY : Razafindrafito Lova Narivelo filohan’ny vondrona parlemantera HVM (sary Njaka)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.