Politique

Razafimahefa Tianarivelo Niantso ireo Administratera sivily hifanome tanana aminy


  • Zoma 15 Jona 2018

Tonga nitsidika ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Atitany vaovao Razafimahefa Tianarivelo tesy Anosy ny Sendikan’ny Administratera Sivily eto Madagasikara na SYNAD

 notarihin’ny filohany Andriamanana Ramahavokatsoa ny alarobia 13 jona na ny ampitson’ny nandraisany fahefana feno taorian’ny famindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra teo aloha Mahafaly Olivier Solonandrasana. Tamin’izany no niantsoan’ny minisitra Razafimahefa Tianarivelo tolotanan’ny SYNAD, izy rahateo mpikambana ao anatiny amin’ny maha Administratera sivily azy. Ny hikarakara fifidianana demokratika, mangarahara, itokisan’ny rehetra no iraka fototra tanterahin’ny minisitera tarihiny. “Fotoana izao hanaporofoantsika ny fahaizantsika sy ny fahamendrehantsika”, hoy ny minisitra. Naneho ny fahavononany ny hanohana sy hanampy ny minisitra vaovao amin’ny asa tanterahiny ny SYNAD, hamerana ny hasina sy ny voninahitry ny minisiteran’ny Atiany sy ny Administratera sivily.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT