Politique

Raveloson Constant “Tsy avela ho an’ny mpandoro tanŕna Iarivo”


  • Zoma 24 Jolay 2015

Namaly bontana ny fomba fijery hafahafa nilaza fa nivadika palitao ka lasa TIM Atoa Raveloson Constant raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Faravohitra omaly. Mbola «MFM ara-dalŕna ny tenako», hoy izy, fa manambara kosa fa manohana an’i Neny Lalao Ravalomanana


 amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto Antananarivo-Renivohitra. «Manainga ny namako tsy ankanavaka aho, mitaona ny MFM aho, mitaona ireo niara-niaritra ny fotoana nafana, manainga ny zandry zatovo tanora tena hifidy ary hampifidy an’i Neny Lalao Ravalomanana» hoy izy,  fa fotoana izao ny mifidy tsy amin’ahiahy, «hiaraka amin’ny n°6 isika fa tsy ny mpandoro tanàna tamin’ny 2009 no hisolantsolana hoe hanarina indray». «Tsy avelantsika ho an’ireo intsony Iarivo», hoy hatrany i Raveloson Constant. Tsy ny filoha nasionalin’ny MFM no nanao fanambarana ny tsy hifidy, hoy izy, fa ny filoha vonjimaikan’ny MFM sampana Antananarivo. Nampahatsiahiviny fa mitarika vahoaka hiatrika fifidianana no asan’ny mpanao politika ary mifaninana handray fahefana ka mirotsaka ho fidiana na farafaharatsiny mandrotsaka sy manohana kandidà.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT