Politique

Raveloson Constant “Ovaintsika ao anatin’ny 5 minitra ny tantara”


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Noezahana novolena teto Madagasikara ny fankahalana tao anatin’ny 5 taona mahery. Nanjaka ny herisetra sy ny afom-panavakavahana sy fanilikilihana nanomboka tamin’ny taona 2009

 

, hoy Raveloson Constant. Azo ambara fa solafaka indray mandeha ny mponin’Antananarivo renivohitra saingy tsy ho roboka intsony ao anaty fandrika ho fanapotehana ny tanàna intsony. Tonga ny fotoana famerenana ny hasin’ny renivohitr’i Madagasikara amin’ny fametrahana ny fanahy, ny tena demokrasia sy ny fanehoan-kevitra mazava amin’ny alalan’ny fifidianana.Tsotra ny vahaolana ho fanavotana an’Antananarivo dia ny fandehanan’ny olom-pirenena feno taona rehetra mifidy mandatsa-bato ny zoma 31 jolay 2015. Ovaintsika ao anatin’ny 5 minitra ny tantara nampalahelo teto Antananarivo nandritra ny enin-taona latsaka kely, fotoana lany amin’ny fifidianana ao anaty birao fandatsaham-bato, hoy ity mpitondra teny nisolotena ’ireo vahoaka marobe mpitolona teo amin’ny kianjan’ny Finoana Magro.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT