Naneho ny heviny manoloana ny zava-nitranga tany Fianarantsoa ny praiminisitra Ravelonarivo Jean omaly tetsy amin’ny DLC Anosy.
«Mampalahelo ny mandre ny fanambarana fa ny mpitondra fanjakana no nanapotika ny foiben’ny fahitalavitra sy ny radio VIVA tany Fianarantsoa. Tsy mpandroba fananan’olona ny fanjakana», hoy ny jeneraly Ravelonarivo Jean. «Ny mifanohitra amin’izany aza no ataonay satria raha vao nandre ny zava-niseho tany an-toerana izahay dia nandefa zandary sy polisy. Ny miaro ny vahoaka sy ny fananany no anjaran’ny fanjakana fa tsy mandroba. Ny vokatry ny fanadihadiana izay efa misokatra moa no hamoaka amintsika ny tena marina. Misy koa ny olona sasany tia milalao afo amin’itony resaka politika itony», hoy ny fanamarihan’ny praiminisitra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.