Raha hitodi-doha ho any Ambatondrazaka dia voatery nijanona tao Moramanga aloha omaly Atoa Marc Ravalomanana satria vahoaka maro be no efa niandry azy tao.
Fihaonana tampotampoka no natao kanefa nanan-danja tokoa satria nahafahana nifanakalo vaovao sy nifampizara ny mavesatra. Nitaraina noho ny fahasahiranana iainany amin’izao fotoana ny vahoakan’i Moramanga izay mahafantatra tsara fa nahavita ary mbola hahavita asa bebe kokoa i Marc Ravalomanana. Hoy indrindra i Dada raha nanontanian’ny mpanao gazety ny amin’ny fihetseham-pony noho ireo vahoaka maro be nihaona taminy : “hitako hoe velom-panantenana ny vahoaka, manam-panantenana hoe hiasa miaraka isika, nahasosotra sy nahatezitra ahy ny nahita fa tena tsy mandeha amin’izay laoniny ny fiantsonan’ny taksibrosy ary tena tsy mendrika ny vahoaka. Ohatry ny tsy olona ny olona. Hojerena izay azo hifanampiana”. Nambarany avy eo fa ny fitiavana tsy omanina vao mahavory olona fa fifampatokisana io ary indrindra fa fiaraha-miasa ary ny olona dia ny zavatra fantany sy tsapany hatramin’izay no hitamberina ao an-tsainy mandrakariva ka hahafantarany ny marina azo itokisana fa mahavita. Matoa izy mangataka sy miantso vonjy dia efa fantany izany fa afaka manampy azy sy mamonjy azy ny olona ifampiresahany, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy resa-be sy fampanantenana ny antsika fa asa ihany, hoy ny filoha nasionalin’ny Tiako i Madagasikara tao Moramanga ary ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.