Efa nambaran’i Marc Ravalomanana hatry ny ela fa na haroso io na hahemotra dia vonona hatrany ny TIM amin’ny fifidianana.
Nanamafy izany ny depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, fa tsy mitsoak’ady ary tsy matahotra fifidianana ny TIM. Ny olona hotohanany amin’io fifidianana io no tena hitondra tokoa ny fampandrosoana marina apetraka eto amin’ny firenena, hoy izy. Nambarany moa omaly, fa tsy foana ny hetsi-bahoaka, fandemen-tsaina sy tsaho izay resaka hiniana voizina any raha ny nambarany, ka na eo aza ny tolona dia tsy midika fa tahotra fifidianana. Natsangana ny KMMR 2018 (Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana), izay tsy ny TIM na ny Zanak’i dada ihany no ao anatin’io sy antsoina ho ao, fa ny olom-pirenena na fikambanana na antoko … tsy an-kanavaka resy lahatra sy vonona hanohana an’i Marc Ravalomanana ilay kandidam-bahoaka amin’ny lafiny rehetra noho ny fahatsapana fa ity farany no nahavita sy antenaina mbola hahavita be amin’ny fanarenana sy fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy i Marc Ravalomanana sy ny mpanohana azy, araka izany, no hitsoapahana na hatahotra fifidianana. 5 taona tany an-tsesitany i Marc Ravalomanana rehefa naongana ny taona 2009, saingy mbola io iaraha-mahita io ny tanjaky ny antoko TIM izay matotra ara-potokevitra ny mpanohana. Manana ny herijika be indrindra ho lasa filoha, raha tsy misy ny kajikajy politika maloto. Mitaky kosa anefa ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny mpitolona ho an’ny fanovana eny amin’ny kianjan’ny 13 mey fa mila fanamboarana ireo rafitra rehetra mikarakara fifidianana mba hahazoana antoka fa tsy misy fitanilana na sanatria fampiasana fahefam-panjakana mialoha, mandritra sy aorian’ny fifidianana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.