Mety ho samy nanana ny nampiavaka azy ny antoko tsirairay, saingy tsy takona hafenina kosa fa mafy sy mbola mahery ny TIM mitaha amin’ny hafa, ary hahafaha-mitaratra izany ny tolon’ny 13 mey.
Mbola mahazaka vahoaka tsara, ary mafy ihany koa amin’ny fifampiresahana na eto an-toerana na amin’ny any ivelany. Nahazo lesona ary mahalala tsara ny fitantanan-draharaham-panjakana. Efa nisedra fanonganam-panjakana ihany koa, saingy mbola ny TIM aloha izao no sokajiana ho mafy amin’ny lafiny maro. Sesitany tany ampitan-dranomasina nandritra ny 5 taona i Marc Ravalomanana, saingy mbola mipetraka hatrany kosa ny tanjany ara-politika. Vao tafaverina dia efa nahavita nampihodina ny orinasa AAA noho ny fahaiza-manaony. Niandry sy tsy niala taminy mihitsy ny mpitolona teny amin’ny Magro. Tena to teny ny filoha teo aloha, ary resy lahatra sy voataiza ara-potokevitra ny mpanohana, fa tsy baikoin’ny tombotsoa sy ny vola. Raha hampitahaina amin’ny Arema an’i Didier Ratsiraka, ohatra, dia tsy tafarina intsony na tafaverina an-tanindrazana aza ny amiraly rehefa avy nialokaloka tany ivelany nanomboka ny raharaha 2002 hatramin’ny 2009 nionganan’ny fanjakana Ravalomanana. Rajoelina sy ny MAPAR moa, vao niandoha dia efa ratsy laza teo imason’izao tontolo izao, ary tsy nisy nafitsoka rehefa nataon’ny HVM fahirano. Io iaraha-mahita io ny manjo ny HVM satria tsy manana fototra politika, fa niaina tamin’ny fandraviravizana vola hanananana mpanohana. Raha tena politika fanarenana firenena sy fampandrosoana dia hita hoe manana tombony amin’ny antoko politika rehetra misy eto ny Tiako I Madagasikara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.