Ho renivohitry ny politika i Fianarantsoa rahampitso zoma 10 jolay. Hamory vahoaka hitokana kianjan’Ampasambazaha nasiam-panavaozana ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina,
ho avy hitsidika ao an-toerana koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana amin’io, sady hiatrika ny kongresim-paritry ny antoko Tiako i Madagasikara Matsiatra Ambony. Hiavaka io rahampitso io ho an’i Marc Ravalomanana satria amin’io no andro voalohany hihaonany indray amin’ny vahoakan’i Fianarantsoa taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 sy taorian’ny niverenany an-tanindrazana tamin’ny 12 oktobra 2014. Ho fihaonan’ny tia sy ny manina io, araka izany, ary dia hanana endrika fampitaha amin’izay mamim-bahoaka io rahampitso io. Mikoropaka ny mpitondra ao an-toerana eo anatrehan’izany, matahotra sao ho takon’ny fahatongavan-dRavalomanana ny lanonam-panjakana.
Mangorompotsy ny vahoaka
Omaly no niainga teto an-drenivohitra i Marc Ravalomanana sy ireo mpiaradia aminy. Hipaka hatrany Ihosy, faritra Ihorombe ny diany. Tsy hay tohaina ny olona tamin’ireo tanàna rehetra nolalovany manaraka ny lalam-pirenana faha-7 iny, toy ny tao Ambatolampy, Ambohimandroso, Andranomanelatra. Nangorompotsy raha ny tao Antsirabe. Voaporofo indray fa mbola mamim-bahoaka ary tena ao am-pon’ny olona ny fitiavana ny filoha Ravalomanana. Na tampoka aza ny fahatongavany dia tena sioka tokana tokoa dia rakotra olona izay lalovany rehetra. Horakora-pifaliana no nandraisan’ny olona azy tao Antsirabe omaly tolakandro. Nijery ny fiainan’ny olona ary miezaka nitafa amin’ny mponina hatrany ny filoha Ravalomanana amin’ny tanàna ijanonany, sady nankahery ny vahoaka amin’izao fijaliana sy fahoriana iainany izao. Raha ny tao Ambatolampy dia maro ny fitarainana nataon’ireo vahoaka toy ny faharatsian’ny lalana, ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio, ny famonoana omby tsizarizary ao an-toerana.
Tapaka mihitsy ny lalana izay nolalovany satria dia mifanisika te handray tanana sy te hahita maso azy ny olona. Maro no loa-bava fa tena izy tokoa ary mbola mavitrika ny lehilahy. ary saika maizina ny andro vao afaka tao Antsirabe izy.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.