Politique

Ravalomanana Marc “Tsy hanaiky fanodinana ny safidim-bahoaka izahay”


  • Sabotsy 01 Aogositra 2015

Tonga nanefa ny adidin’izy ireo amin’ny maha-olom-pirenena ny fianakaviana Ravalomanana efa-mianaka omaly tamin’ny 9 ora sy 15 minitra teny amin’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra. Naneho hevitra mikasika ny fizotran’ny fifidianana sy ny mety ho tohiny tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny antoko nasionalin’ny Tiako I Madagasikara taorian’ny fandatsaham-bato nataon’izy ireo.

 


Mpanao gazety (MG): Maro ireo tsy fahatomombanana hita andriamatoa filoha, ny hevitrao ?

Ravalomanana Marc (RM) : Misy samihafa ny lisitry ny mpifidy. Ahitana betsaka izany eny Atsimondrano, Ambatondrazaka, Toamasina. Efa noresahako tamin’ny mpisolotenan’ny Pnud mba  tsy tokony hiditra loatra amin’ny politika anatin’ny Malagasy. Mijanona ho tsy miandany no anjara andraikitry ny Firenena mikambana. Tsy mety ny fifanakaikezana be loatra eo amin’ny tompon’andraikitra voalohan’ity sampanasan’ny Firenena mikambana ity sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy. Tsy manan-jo ilaza ny heviny mikasika ny fanatontosana ny fifidianana ohatra ny masoivoho vahiny tahaka ny nataon’ny lehiben’ny Pnud. Hanambara io trangan-javatra io amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rahateo ny tenako.

MG : Azo itokisana ve tompoko ny ho vokatry ny fifidianana ary hanaiky izany ve ny TIM ?

RM : Tsy azo atao ny tonga dia mitsara mialoha raha tsy vita ny fifidianana. Matoa izahay tonga mandatsa-bato dia hanaiky. Hafa indray raha hita mibaribary kosa ny zavatra tsy mety. Milaza ny handefa mpanara-maso moa ireo mpiara-miombon’antoka vahiny dia ho hitantsika eo ny ho tohiny.

MG : Ny hevitrao momba ny fisamborana an’i Pety Rakotoniaina ?

RM : Ny tsy mety sy ahiana amin’ny fifidianana toy izao ny fisian’ny korontana. Efa tena sahirana mantsy ny vahoaka nefa ny mpanao politika aty ambony no manao ny hataony. Tsy azo ilay 87% fanampiana avy any ivelany noho ny tsy fitoniana politika. Mila mitandrina tsara isika mba tsy ahatongavana amin’izany. Ny lalàna anefa tsy maintsy arahina ary ilaina manaraka izany ny mpitondra fanjakana.

MG : Hafatra na teny tianao ampitaina amin’ny mpiara-belona ?

RM : Efa tena reraka tanteraka ny vahoaka Malagasy ka tsy rariny sy tsy azo ekena ny fanakorontanana indray ny fifidianana na fikasana hanodina ny safidin’ny olom-pirenena na avy amin’iza na avy aiza. Ny filaminana ara-politika no tena zava-dehibe.

Nangonin-dRamano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT