Politique

Ravalomanana Marc Mpitarika nampitraka an’i Madagasikara


  • Alarobia 05 Aogositra 2015

Nitranga ny fanakorontanana niafara tamin’ny fanonganam-panjakana niaraka tamin’ny fanevatevana ireo soatoavina tena Malagasy ny taona 2009

 

. Tsy nionona fotsiny tamin’ny fanapotehana ny tontolo ara-toekarena sy ny lafiny ara-tsosialy ireo fahalom-pirenena ho fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjanaka fa nanimba tanteraka ny fihavanana izay mampiavaka ny Malagasy. Tsy isalasalana anefa fa efa niarin-doha teo amin’ny sehatra maro i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2008 nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Tsy mahagaga izany satria nanana ny vina «Madagasikara Voajanahary» sy ny fandaharanasa voafaritra ara-potoana «Madagasikara Am-Perinasa» ny mpitondra voafidim-bahoaka tamin’izany.

Fotokarena miainga amin’ny MAP

Voafaritra fa ny Madagasikara Am-Perinasa taona 2007 hatramin’ny 2012 no manangana ireo fotokarena miisa 7 ho an’ny firenena dia ny mahasahana ny maha olona, ny fotodrafitrasa, ny sehatra tsy miankina, ny ara-boajanahary, ny fitarihana, ny fahalalana ary ny andrim-panjakana. Tanjona lehibe voarakitr’ireo paikady sy tetikasa ao anatin’ny MAP rahateo ny hanao izay hanatrarana ny fampihenana ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka. Efa nahazo tohana ara-bola tamin’ireo mpiara-miombon’antoka hatrany amin’ny 7 miliara dolara moa ity fandaharanasa noketrehan’ny ekipan’ny filoha teo aloha ity saingy rava teo ilay nofinofy fampandrosona ny Malagasy 20 tapitrisa mahery.

Asa voarefy ara-tarehimarika

Voalazan’ny Madagasikara Am-Perinasa, ohatra, fa ho tonga laharana faha-100 ny tondron’ny fandrosoana maha olona ny taona 2012 raha laharana faha-146 isika ny taona 2005. Tokony ho tratrantsika ny laharana faha-80 ny taona 2012 raha faha-131 izany ny taona 2005 eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Eritreretina hitombo ho 80% ny tahan’ny mponina mahay mamaky teny sy manoratra ny taona 2012 raha 63% izany ny taona 2005. Tokony ho nanodidina ny 7 hatramin’ny 10% kosa ny tahan’ny fitombon’ny toekarena ny taona 2012 raha 4,6% izany ny taona 2005. 2,8 ny tondro fahatsapana ny kolikoly ny taona 2005 izay tokony ho 5,2 ny taona 2012. Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny mpitondra nanomboka tamin’ny taona 2002 ny fanamboarana sy fikarakarana lalana ka nirefy 8.982km izany tamin’ny taona 2005. Tokony ho nitombo 20% ny fifanakalozana ara-barotra io fikarakarana ny fotodrafitrasa io. Vinavinaina hatrany amin’ny 75% ireo tantsaha sy ny mpandraharaha ara-pambolena hanana taratasy fanamarinana ara-tany ny taona 2012 ary 7 tapitrisa taonina no vokabary teto Madagasikara ny taona 2012.

 
Fifehezana sy fanarahan-dalàna

Nampisongadina ny fitondrana Ravalomanana ankoatra ny asa fampandrosoana ny fitsipi-pifehezana sy ny fanarahan-dalàna. Antony iray rahateo moa io ilazan’ireo zatra ny gaboraraka sy ny fitantanana lavitry ny mangarahara fa didy jadona no nanjaka nanomboka tamin’ny taona 2002 hatramin’ny 2008.


Ramano F.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT