Politique

Raniriharinosy - AREMA Hanokatra orinasa mpanodina fako eto an-drenivohitra


  • Alatsinainy 20 Jolay 2015

Hanokatra orinasa mpanodina fako matihanina eto an-drenivohitra Raniriharinosy, kandida mpifaninana ho Ben’ny tananan’Antananarivo hatolotry ny antoko AREMA. Anisan’ny tena olana goavan’ny mponina eto an-drenivbohitra mantsy izany raha araka ny nambarany

 

 

. Havadika ho zezika izany fako izany no sady entina hanampiana tosika ny herinaratra ihany koa, tetikasa izay hiaharany amin’ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo. Ezaka efa natomboky ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka izany hoy izy entina hampandrosoana ny eny ifotony izay mbola notsindriany fa tena ilain’ny vahoaka Malagasy amin’izao .  Ankoatra izay dia notsindriany ihany koa fa hanokatra ireo akanin-jaza rehetra nikatona tsy nisy mpikarakara  hatramin’izay ny tenany  ho fitsinjovana ireo zaza Malagasy rehetra, indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana arahin’ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo tanora mendrika indrindra. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa goavana hosahaniny ho an’ny mponin’Antananarivo renivohitra izany, raha araka ny nambarany hatrany, fihaonana nataony fanin-telony  tamin’ny mponin’Antananarivo tetsy amin’ny kianja Rafalimanana Isotry hatramin’ny nanombohan’ny fampielezan-kevitra. Nahavory olona marobe tokoa ny hetsika, lanonana nohafanain’I Marion sy Kougar, mpanankato tsy zoviana amintsika intsony

Pati

Sary Rakotobe

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT