Politique

Randrianarison Patricia Hanohy ireo asa marobe efa vita


  • Alarobia 29 Jolay 2015

Hita taratra nandritra ny fampielezan-kevitra ny fifamatorana matotra eo amin’ny vahoakan’Antehiroka sy ny kandida ben’ny tanàna Randrianarison Patricia.

 

 Efa marobe rahateo ireo asa vita toy ny birao ifotony fananantany, ny tsena misy rihana, ny birao «poste avancé» ho an’ny zandarimariam-pirenena Ambohibao, biraom-pokontany miisa telo, lalan-kely, tetezana vita amin’ny «beton», fampidirana rano fisotro madio, fanomezan-danja manokana ny tantsaha tamin’ny alalan'ny famatsiana masomboly sy fitaovam-pambolena tahaka ny «kubota, pulvérisateurs, sarcleuses, batteuses», lakana ho fampandrosoana ny mpiara-belona ny tenany ka tsy handiso fanantenana vel ively azy ireo saingy tsy te-hionona amin’izany ny kandidan’ny Tiako I Madagasikara. Laharam-pahamehana aminy ny hanohy ireo ezaka efa tontosa isam-pokontany niarahana nifandrimbona madiodio tamin’ny vahoaka. Fiarahana misakafo be menaka miaraka amin’ny vahoaka ho fisaorana azy ireo no hamaranan’ny kandida ben’ny tanàna TIM Randrianarison Patricia ny fampielezan-keviny anio ao Ambohibao.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT