Politique

Randriamanjarisoa Dieudonné Vonona hampandroso an’Andranonahoatra


  • Alatsinainy 13 Jolay 2015

Tonga teny amin’ny foiben’ny CENIT Alarobia ny sabotsy maraina teo ireo kandida ben’ny tanŕna 126 ho an’Antananarivo atsimondrano sy ny mpiray lisitra amin’izy ireo

 

. Nampahafantarina azy ireo teny an-toerana ny didy aman-dalàna mifehy ny fifidianana kaominaly, ny azo atao sy ny tsy azo atao eo amin’ny resaka fampielezan-kevitra, ny zo aman’andraikitr’izy ireo. Anisan’ny teny Alarobia ny kandida mahaleotena hifaninana ao amin’ny kaominin’Andranonahoatra Randriamanjarisoa Dieudonné na i Donné Manjary izay mitarika ny lisitra Fitia mifamaly Mahatsara Fihavanana. Nahafa-po ny dinika, hoy izy ary nambarany fa vonona hanaja ny lalàna ny tenany sy ireo mpanolotsaina miaraka aminy, izy ireo izay maniry mafy ny hitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’ny fampandrosoana ny kaominina Andranonahoatra sy ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina ao aminy. Fanompoam-pivavahana no hanombohan’ny « Fitia mifamaly Mahatsara Fihavanana » ny fampielezan-keviny ny alakamisy 16 jolay ho avy izao. Kandida mahaleotena 3 miampy kandidan’ny antoko HVM sy TIM moa no hifaninana eny amin’ity kaominina ity amin’ny 31 jolay.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT