Na dia eo aza ny savorovoro misy etsy sy eroa amin’ny resaka politika ka hilazan’ny sasantsasany fa mety mbola hihemotra ny fifidianana kaominaly dia tsy nahatsindry fo ny olon-tsotra mpanara-baovao politika iray
, Atoa Randriafenosoa Victor, raha nihaona tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ka nilaza fa tsy ny mpanao politika irery ihany no tokony homena sehatra amin’ny fanehoan-kevitra politika eto amin’ny firenena fa tena manana hevitra mahasoa ny besinimaro ihany koa ny olon-tsotra matetika fa hatao an-jorom-bala hatrany ny heviny. Nilaza ary ny tenany fa mila olona tena tia tanindrazana hitantana azy ity tanànan’Antananarivo Renivohitra ity, olona tsy voahelingelin’ny baiko politika ary olona manana fijery lavitra amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Olona tsy manan-kevitra ny handrombaka fahefana am-pelatanan’ny olom-boafidy fa hihamina amin’ny fahavitana fampandrosoana ao anatin’ny fanaperany ny fotoam-piasany. Izaho, hoy Randriafenosoa Victor rehefa mijery ny amin’ireo nirotsaka ho kandidà eto amin’ny fitantanana ity renivohitra ity dia mahasahy milaza fa Atoa Hery Rafalimanana no manana an’ireo mason-tsivana voalaza teo ireo sady efa nahavita koa tamin’ny fotoanandro nitantanany na dia tao anaty fotoana fohy ihany aza.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.