Politique

Randriafenosoa Victor Mila olona tsy voabaikon’ny resaka politika Antananarivo-Renivohitra


  • Alakamisy 09 Jolay 2015

Na dia eo aza ny savorovoro misy etsy sy eroa amin’ny resaka politika ka hilazan’ny sasantsasany fa mety mbola hihemotra ny fifidianana kaominaly dia tsy nahatsindry fo ny olon-tsotra mpanara-baovao politika iray,


 Atoa Randriafenosoa Victor, raha nihaona tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ka nilaza fa tsy tokony ho ny mpanao politika irery ihany no tokony homena sehatra amin’ny fanehoan-kevitra politika eto amin’ny firenena fa tena manana hevitra mahasoa ny be sy ny maro ihany koa ny olon-tsotra matetika fa hatao an-jorom-bala hatrany ny heviny. Nilaza ary ny tenany fa mila olona tena tia tanindrazana hitantana azy ity tanànan’Antananarivo-Renivohitra ity, Olona tsy voahelingelin’ny baiko politika ary olona manana fijery lavitra amin’ny fampandrosoana ny tanàna. OIona koa tsy manan-kevitra ny handrombaka fahefana am-pelatanan’ny olom-boafidy fa hihamina amin’ny fahavitana fampandrosoana ao anatin’ny fanaperany ny fotoam-piasany. Izaho, hoy Randrianfenosoa Victor rehefa mijery ny amin’ireo nirotsaka ho kandidà eto amin’ny fitantanana ity Renivohitra ity dia mahasahy milaza fa Atoa Hery Rafalimanana no manana an’ireo mason-tsivana voalaza teo ireo sady efa nahavita koa tamin’ny fotoanandro nitantanany na dia tao anaty fotoana fohy ihany aza.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT